Salamo 150:1-6

  • Aoka hidera an’i Jah ny zavamananaina rehetra

    • Haleloia! (1,6)

150  Derao i Jah!*+ Derao ao amin’ny toerany masina+ Andriamanitra. Derao izy, eny amin’ny habakabaka,* izay porofon’ny heriny.+  2  Derao izy noho ny asa lehibe nataony.+ Derao izy fa izy no tena miavaka indrindra.+  3  Derao amin’ny feon’anjombona+ izy. Derao amin’ny zavamaneno fitendry sy ny harpa+ izy.  4  Derao amin’ny ampongatapaka+ sy ny dihy faribolana izy. Derao amin’ny zavamaneno fitendry+ sy ny sodina+ izy.  5  Derao amin’ny kipantsona mikarantsana izy. Derao amin’ny kipantsona+ avo feo izy.  6  Aoka hidera an’i Jah ny zavamananaina rehetra. Derao i Jah!*+

Fanamarihana

Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “lanitra.”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.