Salamo 2:1-12

  • Jehovah sy ilay voahosotra notendreny

    • Ihomehezan’i Jehovah ireo firenena (4)

    • Nametraka ny mpanjakany i Jehovah (6)

    • Omeo voninahitra ilay zanaka (12)

2  Nahoana no mikorontana ireo firenena,Ary mingonongonona miteny* zavatra tsy misy dikany ny vahoaka?+  2  Mitsangana ireo mpanjakan’ny tanyAry mivondrona* ny manam-pahefana ambony,+Mba hanohitra an’i Jehovah sy ilay voahosotra notendreny.*+  3  Hoy izy ireo: “Andao hotapahintsika ny fatotra nataony,Ary hariantsika ny tady namatorany antsika!”  4  Hihomehy fotsiny anefa Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana any an-danitra;Haneso azy ireo i Jehovah.  5  Ho tezitra be izy amin’izay rehefa hiteny amin’izy ireo,Ary hampihorohoro azy ireo amin-katezerana mafy,  6  Ka hilaza hoe: “Izaho mihitsy no efa nametraka ny mpanjakako+Ao Ziona,+ tendrombohitro masina.”  7  Hanambara ny didin’i Jehovah aho.Hoy izy tamiko: “Zanako ianao;+Androany aho no lasa rainao.+  8  Angataho amiko ireo firenena, dia homeko ho lovanao,Ary ny tany manontolo, fa homeko ho fanananao.+  9  Hopotehinao amin’ny tehina vy+ ireny,Ary hotorotoroinao toy ny vilany tanimanga.”+ 10  Koa asehoy hoe misaina tsara ianareo, ry mpanjaka;Maneke fanitsiana,* ry mpitsara eto an-tany! 11  Manompoa an’i Jehovah sady matahora azy,Ary mifalia, nefa koa mangovita. 12  Omeo voninahitra* ilay zanaka+ sao ho tezitra Andriamanitra*Ka ho ringana* ianareo,+Fa vetivety dia mirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.

Fanamarihana

Na: “misaintsaina.”
Na: “mikaon-doha.”
Na: “ny Kristiny.”
Na: “Mitandrema.”
Abt: “Orohy.”
Abt: “izy.”
Na: “ho ringana tsy ho eo amin’ny lalan’ny fahamarinana.”