Salamo 20:1-9

Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida. 20  Hamaly ny vavaka ataonao anie i Jehovah, amin’ny andro fahoriana!+Hiaro anao anie ny anaran’ilay Andriamanitr’i Jakoba!+   Hanampy anao avy ao amin’ny toerana masina anie+ izy,Ary hanohana anao avy ao Ziona!+   Hotsaroany anie ny fanatitra rehetra ataonao fanomezana ho azy,+Ary hankasitrahany anie ny tavin’ny fanatitra dorana atolotrao.+ Sela.   Homeny anao anie izay irin’ny fonao,+Ary hotanterahiny anie ny fikasanao rehetra!+   Hihoby izahay noho ny famonjenao,+Ary hatsanganay amin’ny anaran’Andriamanitray ny saina entinay.+Hotanterahin’i Jehovah anie izay rehetra angatahinao!+   Fantatro tsara izao fa mamonjy ny voahosony tokoa i Jehovah.+Mamaly azy avy any amin’ny lanitra masina fonenany izy,+Ka manao asa famonjena lehibe amin’ny tanany ankavanana.+   Ny sasany miresaka momba ny kalesin’adiny, ary ny hafa miresaka momba ny soavaly,+Fa izahay kosa hiresaka momba ny anaran’i Jehovah Andriamanitray.+   Resy izy ireo ka lavo,+Fa izahay kosa nitsangana ka tafajoro.+   Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka!+Hamaly anay izy amin’ny andro iantsoanay azy.+

Fanamarihana