Salamo 21:1-13

  • Hotahina ny mpanjaka matoky an’i Jehovah

    • Natao ela velona ny mpanjaka (4)

    • Ho resy ny fahavalon’i Jehovah (8-12)

Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida. 21  Jehovah ô, faly ny mpanjaka satria nasehonao fa mahery ianao;+Faly erỳ izy noho ny asa famonjenao!+  2  Nomenao azy izay nirin’ny fony,+Ary tsy nolavinao izay nangatahin’ny molony. (Sela)  3  Notsenainao izy ka nomenao fitahiana be dia be;Nasianao satroboninahitra volamena tena tsara* teo amin’ny lohany.+  4  Ny ho velona no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany;+Nataonao ela velona izy,* eny, velona mandrakizay mandrakizay.  5  Mahazo voninahitra be izy noho ny asa famonjenao.+ Omenao haja amam-boninahitra izy.  6  Ataonao izay hahazoany fitahiana mandrakizay;+Ataonao izay hahatsapany fifaliana eo anatrehanao.*+  7  Fa matoky an’i Jehovah ny mpanjaka;+Tsy hangozohozo* mihitsy izy satria be fitiavana sy tsy mivadika ilay Avo Indrindra.+  8  Ho azon’ny tananao ny fahavalonao rehetra;Ho azon’ny tananao ankavanana ireo mankahala anao.  9  Hataonao toy ny lafaoro mirehitra izy ireny amin’ny fotoana voatondro, rehefa hamely azy ireny ianao. Tezitra i Jehovah ka haringany* izy ireny, ary ho levon’ny afo.+ 10  Haringanao tsy ho etỳ an-tany ny zanany,Ary hofoananao tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny taranany. 11  Fa nitady hanisy ratsy anao izy ireny;+Manao tetika izy ireny, nefa tsy hahomby izany.+ 12  Fa hampandositra azy ireny ianao,+Rehefa mikendry azy* amin’ny tsipìkanao.* 13  Mitsangàna, Jehovah ô, ary asehoy ny tanjakao! Hihira fiderana* ho anao izahay noho ny herinao.

Fanamarihana

Na: “voadio.”
Abt: “Nohalavainao ny androny.”
Na: “eo anatrehan’ny tarehinao.”
Na: “hivembena.”
Abt: “hateliny.”
Abt: “ny tarehin’izy ireny.”
Abt: “tadin-tsipìkanao.”
Abt: “Hihira sy hitendry mozika.”