Salamo 22:1-31
Ho an’ny mpitarika; atao mifanaraka amin’ilay hoe “Serfavavin’ny Maraina Mangiran-dratsy.”* Hiran’i Davida.
22 Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana ianao no nahafoy ahy?+
Nahoana no lavitra ahy ianao, ka tsy mamonjy ahySady tsy mihaino ny fitarainako?+
2 Andriamanitro ô, miantso anao foana aho rehefa antoandro nefa tsy mamaly ianao,+Ary tsy mangina mihitsy ny vavako rehefa alina.
3 Masina anefa ianao,+Ary heniky ny* fiderana avy amin’ny Israely.
4 Ianao no nitokisan’ny razambenay;+Nitoky taminao izy ireo, ka namonjy azy foana ianao.+
5 Ianao no nitarainany, dia voavonjy izy ireo;Natoky anao izy ireo, ka tsy diso fanantenana.*+
6 Kankana anefa aho fa tsy olona,Ary ataon’ny olona tsinontsinona* sady ambanimbanin’ny vahoaka.+
7 Maneso ahy izay rehetra mahita ahy;+Mihomehy manaraby sy mihivingivin-doha+ izy ireo, ka miteny hoe:
8 “Efa nankininy tamin’i Jehovah ny fiainany, koa aoka Izy hanafaka azy!
Aoka Izy hamonjy azy, satria tena tia azy Izy!”+
9 Ianao no namoaka ahy avy tao an-kibo,+Sy nanao izay tsy hananako ahiahy teo an-tratran-dreniko.
10 Vao teraka aho, dia efa nankinina taminao mba hokarakarainao;*Mbola tany an-kibon’i Neny aho, dia efa ianao no Andriamanitro.
11 Aza mijanona lavitra ahy, fa mananontanona ny loza,+Ary tsy manana olon-kafa aho mba hanampy ahy.+
12 Itangoronan’ny vantotr’ombilahy maro be aho;+Manodidina ahy ny omby matanjaka avy any Basana.+
13 Misanasana vava hamely ahy izy ireo,+Toy ny liona mierona mamiravira ny rembiny.+
14 Araraka toy ny rano aho;Ary miala amin’ny tonon-taolana ny taolako rehetra.
Lasa toy ny savoka ny foko,+Ka mitsonika ao anatiko lalina ao.+
15 Tsy manana hery intsony aho, fa maina hoatran’ny silaka vilany tanimanga;+Miraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako;+Entinao midina ao amin’ny vovoky ny fahafatesana aho.+
16 Fa itangoronan’ny alika aho;+Manodidina ahy toy ny andiana mpanao ratsy izy ireo,+Toy ny liona manaikitra ny tanako sy ny tongotro.+
17 Voaisako ny taolako rehetra.+
Mandinika ahy ny fahavaloko, sady mibanjina ahy.
18 Ifampizaran’izy ireo ny fitafiako,Ary anaovany antsapaka ny akanjoko.+
19 Fa ianao kosa Jehovah ô, aza mijanona lavitra ahy.+
Ianao no heriko. Ampio haingana aho.+
20 Afaho tsy ho azon’ny sabatra aho,Avoty tsy ho azon’ny alika ny aiko sarobidy.*+
21 Vonjeo aho mba tsy ho lanin’ny liona+ sy tsy ho voatrobaky ny tandroky ny ombidia;Valio aho ka vonjeo.
22 Hanambara ny anaranao amin’ny rahalahiko aho;+Eo anivon’ny fiangonana no hiderako anao.+
23 Ianareo izay matahotra an’i Jehovah, miderà Azy!
Ianareo rehetra taranak’i Jakoba, omeo voninahitra Izy!+
Ianareo rehetra taranak’i Israely, atahory sy hajao Izy.
24 Fa tsy ataony tsinontsinona na hoe odiany tsy hita ny fahorian’ny olona mijaly;+Tsy mba mihodina tsy hijery azy Izy.*+
Henoiny kosa ny olona mijaly rehefa miantso vonjy aminy.+
25 Hidera anao eo anivon’ny fiangonana lehibe aho;+Hanefa ny voadiko eo anatrehan’ireo matahotra azy aho.
26 Hisakafo ny mpandefitra ka ho voky;+Hidera an’i Jehovah ireo mitady azy.+
Hankafy fiainana foana anie ianareo mandrakizay!*
27 Hahatsiaro an’i Jehovah ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany, ka hiverina aminy.
Hiankohoka eo anatrehanao ny foko rehetra eo amin’ireo firenena.+
28 Fa an’i Jehovah ny fanjakana;+Izy no mitondra an’ireo firenena.
29 Hisakafo sy hiankohoka eo anatrehany daholo ny mpanankarena* eto an-tany;Handohalika eo anatrehany izay rehetra hidina any amin’ny vovoka;Tsy misy mahavita miaro ny ainy izy ireo.
30 Hanompo azy ny taranak’izy ireo;Horesahina amin’ny taranaka ho avy ny momba an’i Jehovah.
31 Ho avy izy ireo ka hanambara ny fahamarinany.
Holazain’izy ireo amin’ny vahoaka mbola tsy teraka izay nataony.
Fanamarihana
^ Mety ho karazana feo na gadona.
^ Na: “nahazo seza fiandrianana eo amin’ny (eo ambonin’ny).”
^ Na: “tsy nitsanga-menatra.”
^ Na: “henatra ho an’ny olona.”
^ Abt: “natsipy teny aminao.”
^ Abt: “ny lahitokako”, izany hoe ny ainy.
^ Abt: “Tsy manafina ny tarehiny aminy Izy.”
^ Abt: “Ho velona mandrakizay anie ny fonareo!”
^ Abt: “matavy.”