Salamo 23:1-6
Hiran’i Davida.
23 I Jehovah no Mpiandry ahy.+
Tsy ho ory na inona na inona aho.+
2 Asainy mitsotsotra eny amin’ny toerana feno ahi-maitso aho,Ary mitarika ahy ho eny amin’ny toeram-pialan-tsasatra azon-drano tsara* izy.+
3 Mamelombelona ahy izy.+
Mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana izy, noho ny anarany.+
4 Na dia mamakivaky lohasaha maizim-pito aza aho,+Dia tsy misy loza atahorako,+Satria ianao no eo anilako.+Manome toky* ahy ny tsorakazonao sy ny tehinao.
5 Manomana latabatra ho ahy eo anoloan’ny fahavaloko ianao.+
Mahatsiaro ho velombelona aho rehefa hosoranao menaka ny lohako;+Feno mitafotafo ny kaopiko.+
6 Ho tsara toetra amiko tokoa ianao sady ho tia ahy sy tsy hivadika amiko, mandritra ny androm-piainako.+Dia hipetraka ao an-tranon’i Jehovah aho, amin’ny andro rehetra ahavelomako.+