Salamo 25:1-22

Nataon’i Davida. א [Alefa] 25  Ianao no anolorako ny tenako, Jehovah ô!+ ב [Beta]   Andriamanitro ô, ianao no itokisako,+Enga anie ka tsy hitsanga-menatra aho!Aoka tsy ho faly amin’ny fahavoazako ny fahavaloko.+ ג [Gimela]   Eny, tsy hisy ho menatra izay manantena anao.+Fa ho menatra kosa ireo mamitaka nefa tsy mahavoa.+ ד [Daleta]   Ampahafantaro ahy ny lalanao, Jehovah ô,+Ampianaro ahy ny lalanao.+ ה [He]   Ampandehano amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro,+Fa ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy.+ו [Vao]Ianao foana no antenaiko.+ ז [Zaina]   Jehovah ô, tsarovy ny famindram-ponao+ sy ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,+Fa efa hatramin’ny fotoana tsy voafetra no nanehoanao izany.+ ח [Heta]   Hadinoy re ny fahotan’ny fahatanorako sy ny fikomiako e!+Tsarovy anefa aho, noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,+Sy noho ny hatsaran-toetranao, Jehovah ô!+ ט [Teta]   Tsara toetra sy mahitsy i Jehovah,+Ka ampianariny lala-mahitsy ny mpanota.+ י [Yôda]   Hataony izay hanarahan’ny mpandefitra ny didim-pitsarany,+Ary hampianariny ny lalany ny mpandefitra.+ כ [Kafa] 10  Ny lalan’i Jehovah rehetra dia hatsaram-panahy sy fahamarinana,Ho an’izay manaja ny fifanekena+ nataon’Andriamanitra sy manaraka ny fampahatsiahivany.+ ל [Lameda] 11  Noho ny anaranao, Jehovah ô,+Dia mamelà ny fahadisoako, fa lehibe izany.+ מ [Mema] 12  Iza no olona matahotra an’i Jehovah?+Hampianatra azy momba izay lalana hofidiny Izy.+ נ [Nona] 13  Ho ampoky ny soa ny fiainany,+Ary handova ny tany ny taranany.+ ס [Sameka] 14  Izay matahotra an’i Jehovah no manana fifandraisana akaiky aminy,+Sy anaovany fifanekena, ary ampahafantariny azy izany.+ ע [Aina] 15  Mibanjina an’i Jehovah foana ny masoko,+Fa izy no manafaka ny tongotro tsy ho azon’ny harato.+ פ [Pe] 16  Mba jereo aho ka iantrao,+Fa irery sy ory.+ צ [Tsade] 17  Mihamaro ny fahorian’ny foko.+Afaho amin’ny fahorian-tsaina aho.+ ר [Resa] 18  Jereo ny fahoriako sy ny fijaliako,+Ary mamelà ny fahotako rehetra.+ 19  Jereo fa lasa maro be ny fahavaloko,+Ary mankahala mafy ahy izy sady te hanisy ratsy ahy.+ ש [Shina] 20  Arovy aho ka afaho.+Tsy hitsanga-menatra anie aho, fa ianao no ialofako.+ ת [Tao] 21  Aoka hiaro ahy ny tsy fivadihana sy ny fahitsiana,+Fa ianao no antenaiko.+ 22  Andriamanitra ô, avoty amin’ny fahoriany rehetra ny Israely.+

Fanamarihana