Salamo 26:1-12

Nataon’i Davida. 26  Tsarao aho+ Jehovah ô, fa tsy mivadika aho.+I Jehovah no itokisako, ka tsy hangozohozo aho.+   Diniho aho ka zahao toetra, Jehovah ô!+Diovy ny voako sy ny foko.+   Fa eo anatrehako ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,Ary mandeha amin’ny fahamarinanao aho.+   Tsy miara-mipetraka amin’ny olona tsy marina aho,+Ary tsy mifanerasera amin’ireo manafina ny tena maha izy azy.+   Halako ny antokon’olona mpanao ratsy,+Ary tsy miara-mipetraka amin’ny ratsy fanahy aho.+   Hanasa tanana aho fa tsy manan-tsiny,+Ary handeha manodidina ny alitaranao aho, Jehovah ô,+   Mba hahatonga ny fisaorana ho re tsara+Ary mba hanambarana ny asanao mahatalanjona rehetra.+   Jehovah ô, tiako ny trano fonenanao,+Sy ilay toerana misy ny voninahitrao.+   Aza aringana miaraka amin’ny mpanota aho,+Ary aza aripaka miaraka amin’ny mpandatsa-dra,+ 10  Izay manana fitondran-tena baranahiny,+Ary feno kolikoly ny tanany ankavanana.+ 11  Fa izaho kosa tsy mba hivadika.+Avoty aho,+ ka aoka ianao ho tsara fanahy amiko.+ 12  Hijoro eo amin’ny toerana tsy mikitoantoana ny tongotro,+Ary eo anivon’ny vahoaka tafavory no hisaorako an’i Jehovah.+

Fanamarihana