Salamo 3:1-8

Hiran’i Davida tamin’izy nandositra an’i Absaloma zanany.+ 3  Jehovah ô, nahoana no be dia be toy izao ny fahavaloko?+Nahoana no maro be no mitsangana hanohitra ahy?+   Izao no lazain’ny olona maro momba ahy:“Tsy hahazo famonjena avy amin’Andriamanitra izy.”+ Sela.   Ianao anefa no ampingako, Jehovah ô,+Ianao no voninahitro,+ ary Ianao no mampitraka ny lohako.+   Hanandratra ny feoko hiantso an’i Jehovah aho,Dia hamaly ahy avy any an-tendrombohiny masina izy.+ Sela.   Hitsotsotra aho ka hatory,Ary hifoha aho, satria manampy ahy foana i Jehovah.+   Tsy hatahorako ny olona an’aliny,Izay milahatra manodidina mba hamely ahy.+   Mitsangàna,+ Jehovah ô! Vonjeo aho,+ ry Andriamanitro ô!+Asio eo amin’ny valanoranony ny fahavaloko rehetra,+Ary ataovy tapatapaka ny nifin’ny ratsy fanahy.+   Avy amin’i Jehovah ny famonjena.+Mitahy ny olonao ianao.+ Sela.

Fanamarihana