Salamo 33:1-22

  • Fiderana ny Mpamorona

    • “Mihirà hira vaovao ho azy” (3)

    • Ny tenin’i Jehovah sy ny fofonainy no nampiasainy hamoronana (6)

    • Sambatra ny firenena manana an’i Jehovah (12)

    • Mitsinjo ny mason’i Jehovah (18)

33  Mihobia ianareo olo-marina, noho ny zavatra nataon’i Jehovah.+ Mety raha midera azy ny olona manao izay mahitsy.  2  Misaora an’i Jehovah amin’ny harpa;Manaova hira fiderana* ho azy amin’ny zavamaneno misy tadiny folo.  3  Mihirà hira vaovao ho azy;+Tendreo tsara ny zavamaneno misy tadiny, ary mihobia.  4  Fa marina ny tenin’i Jehovah,+Ary mendri-pitokisana izy amin’izay rehetra ataony.  5  Tia rariny sy hitsiny izy.+ Manenika ny tany ny fitiavan’i Jehovah.*+  6  Ny tenin’i Jehovah no nampisy ny lanitra,+Ary ny fofonain’ny vavany no nampisy ny zava-drehetra eny.*  7  Angoniny ny rano ao amin’ny ranomasina, ka toy ny hoe misy tohodrano;+Ataony ao anaty trano fitehirizana ny rano manonja be.  8  Aoka ny tany manontolo hatahotra an’i Jehovah.+ Aoka ny mponina eo amin’ny tany lonaka hanaja azy.  9  Fa niteny izy, dia nisy izany;+Namoaka didy izy, dia lasa mafy orina izany.+ 10  Ataon’i Jehovah tsy mahomby ny tetik’ireo firenena;+Ataony tsy tanteraka ny fikasan’ny* vahoaka.+ 11  Ny fikasan’i Jehovah kosa maharitra mandrakizay;+Tsy miova ny hevitra ao am-pony, na dia hatramin’ny taranaka fara aman-dimby aza. 12  Sambatra ny firenena manana an’i Jehovah ho Andriamaniny,+Dia ny vahoaka nofidiny ho fananany.+ 13  Mitazana avy any an-danitra i Jehovah;Hitany daholo ny zanak’olombelona.+ 14  Avy any amin’ny toerana onenany izyNo mandinika an’ireo mponina eto an-tany. 15  Izy no namorona ny fon’izy rehetra;Dinihiny daholo izay ataon’izy ireo.+ 16  Tsy misy mpanjaka voavonjin’ny tafika lehibe ananany;+Ny lehilahy matanjaka tsy voavonjin’ny hery lehibe ananany.+ 17  Tsy azo antenaina hahazoana famonjena* ny soavaly,+Sady tsy azo antoka hoe hahafahana hitsoaka na dia matanjaka be aza. 18  Ny mason’i Jehovah mitsinjo an’izay matahotra azy,+Dia ireo miandry ny hanehoany fitiavana sy tsy fivadihana, 19  Mba hamonjena azy ireo tsy ho faty,Sy hitsimbinana ny ainy mandritra ny mosary.+ 20  Miandry an’i Jehovah isika. Izy no mpanampy antsika sy ampingantsika.+ 21  Faly ny fontsika noho ny zavatra ataony,Satria matoky ny anarany masina isika.+ 22  Enga anie ianao ho tia anay sy tsy hivadika aminay, Jehovah ô,+Fa miandry anao foana izahay!+

Fanamarihana

Na: “Mitendre mozika.”
Na: “ny fitiavan’i Jehovah sy ny tsy fivadihany.”
Abt: “ny tafiny rehetra.”
Na: “eritreritry ny.”
Na: “fandresena.”