Salamo 37:1-40
Nataon’i Davida.
א [Alefa]
37 Aza tezitra noho ny amin’ny mpanao ratsy.+Ary aza mitsiriritra an’izay manao ny tsy marina.+
2 Fa ho maina vetivety toy ny ahitra izy,+Ary halazo toy ny ahi-maitso.+
ב [Beta]
3 Matokia an’i Jehovah ka manaova ny tsara.+Aoka ianao honina amin’ny tany sy ho mendri-pitokisana amin’izay ataonao.+
4 Aoka koa ianao ho finaritra tanteraka amin’i Jehovah,+Dia homeny anao izay irin’ny fonao.+
ג [Gimela]
5 Ankino amin’i Jehovah ny lalanao,+Ary miantehera aminy,+ dia hanao zavatra izy.+
6 Hataony miharihary toy ny hazavana ny fahamarinanao,+Ary hataony miharihary toy ny mitataovovonana ny fitiavanao ny rariny.+
ד [Daleta]
7 Aoka ianao hangina eo anatrehan’i Jehovah,+Ka hiandry azy fatratra.+Aza tezitra amin’ny olona mahomby amin’izay ataony,+Dia ny olona mahatanteraka ny teti-dratsiny.+
ה [He]
8 Ialao ny fahatezerana ary atsaharo ny fahavinirana.+Aza tezitra sao hahatonga anao hanao ratsy izany.+
9 Ny mpanao ratsy horinganina,+Fa izay manantena an’i Jehovah no handova ny tany.+
ו [Vao]
10 Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy.+Handinika an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy.+
11 Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany,+Ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.+
ז [Zaina]
12 Manao tetika hamelezana ny olo-marina ny ratsy fanahy,+Ka mihidy vazana aminy.+
13 Hihomehezan’i Jehovah anefa izy,+Satria hitany fa ho avy ny andro handringanana azy.+
ח [Heta]
14 Manatsoaka sabatra ny ratsy fanahy, sady mamatotra ny tadin-tsipìkany,+Mba handavoana ny ory sy ny mahantra,+Ary hamonoana an’ireo manao izay mahitsy.+
15 Ny sabany ihany anefa no hitsatoka amin’ny fony,+Ary ho tapaka ny tsipìkany.+
ט [Teta]
16 Tsara kokoa ny kely ananan’ny olo-marina,+Toy izay ny be ananan’ny ratsy fanahy maro.+
17 Ho tapaka ny sandrin’ny ratsy fanahy,+Fa i Jehovah kosa hanampy ny olo-marina.+
י [Yôda]
18 Fantatr’i Jehovah ny fiainan’ny tsy manan-tsiny,+Ary haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny lovan’izy ireo.+
19 Tsy ho menatra izy ireo amin’ny fotoam-pahoriana,+Ary ho voky izy amin’ny andro isian’ny mosary.+
כ [Kafa]
20 Ho ringana ny ratsy fanahy,+Ary ny fahavalon’i Jehovah dia ho tahaka ny hakanton’ny kijana,Izay tsy maintsy ho levona.+ Eny, ho levona ireny ka ho lasa setroka.+
ל [Lameda]
21 Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy mamerina,+Fa ny olo-marina kosa miantra ka manao fanomezana.+
22 Izay tahin’Andriamanitra no handova ny tany,+Fa izay hozoniny kosa ho ringana.+
מ [Mema]
23 Manomana ny lalan-kizoran’ny lehilahy tomady i Jehovah,+Ary finaritra amin’ny lalany.+
24 Na dia solafaka aza izy dia tsy hidaraboka,+Fa i Jehovah no mitantana azy.+
נ [Nona]
25 Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho ankehitriny,+Nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy tanteraka,+Na nahita ny zanany nangataka hanina.+
26 Miantra olona mandrakariva izy ka mampisambotra,+Koa hahazo fitahiana ny taranany.+
ס [Sameka]
27 Mialà amin’ny ratsy ka manaova ny tsara,+Dia honina amin’ny tany mandritra ny fotoana tsy voafetra ianao.+
28 Fa tia rariny i Jehovah,+Ka tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy.+ע [Aina]
Ho voaro mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireo,+Fa horinganina kosa ny taranaky ny ratsy fanahy.+
29 Ny olo-marina no handova ny tany,+Ka honina eo mandrakizay.+
פ [Pe]
30 Ny vavan’ny olo-marina no mibitsika fahendrena,+Ary ny lelany no manambara ny rariny.+
31 Ao am-pony ny lalàn’Andriamanitra,+Ka tsy hiala amin’ny lala-mahitsy izy.+
צ [Tsade]
32 Ny ratsy fanahy mitsikilo ny olo-marina,+Ka mitady fomba hamonoana azy.+
33 Fa i Jehovah kosa tsy hahafoy azy ho eo am-pelatanan’ny ratsy fanahy,+Na hanameloka azy rehefa tsaraina izy.+
ק [Kôfa]
34 Aoka ianao hanantena an’i Jehovah sy hanaraka ny lalany,+Dia hanandratra anao izy ary handova ny tany ianao.+Ho hitanao ny handringanana ny ratsy fanahy.+
ר [Resa]
35 Hitako fa mpanjakazaka ny ratsy fanahy,+Sady misandrahaka toy ny hazo midoroboka eo amin’ny tany efa nisy azy hatramin’izay.+
36 Nihelina ihany anefa izy, ka tsy eo intsony.+Nitady azy foana aho, nefa tsy hita izy.+
ש [Shina]
37 Diniho ny tsy manan-tsiny, ary jereo ny olo-mahitsy,+Fa fiadanana no miandry azy amin’ny hoavy.+
38 Ho ripaka daholo kosa ny mpandika lalàna,+Ary fandringanana no miandry ny ratsy fanahy, amin’ny hoavy.+
ת [Tao]
39 Avy amin’i Jehovah ny famonjena ny olo-marina,+Izy no fiarovana mafy ho azy ireo amin’ny fotoam-pahoriana.+
40 Hanampy sy hanafaka azy ireo i Jehovah.+Hanafaka azy tsy ho azon’ny ratsy fanahy izy ka hamonjy azy,+Satria nialoka taminy ireo.+