Salamo 46:1-11

Ho an’ny mpitarika. Nataon’ny taranak’i Kora,+ araka ny fihiran’ny Ankizivavy. Hira. 46  Fialofana sy hery ho antsika Andriamanitra.+Mpanampy mora azo amin’ny fotoam-pahoriana izy.+   Koa tsy hatahotra isika, na miova aza ny tany,+Na mihovotrovotra aza ny tendrombohitra ka mianjera any afovoan’ny ranomasimbe,+   Na misamboaravoara sy mandroatra aza ny ranomasina,+Ary na mihovotrovotra noho ny fanonjany aza ny tendrombohitra.+ Sela.   Mampifaly ny tanànan’Andriamanitra ireo sakeli-drano mankamin’ny renirano iray,+Eny, mampifaly an’ilay tranolay be voninahitra sy masina indrindra, izay an’ny Avo Indrindra.+   Eo afovoan’ilay tanàna Andriamanitra,+ ka tsy ho voahozongozona izy io.+Hamonjy azy Andriamanitra, raha vao tonga ny maraina.+   Nisavorovoro ireo firenena,+ ary nihozongozona ny fanjakana.Nampanakoako ny feony izy, ka nitsonika ny tany.+   Momba antsika i Jehovah Tompon’ny tafika.+Tendrombohitra fandosirantsika ilay Andriamanitr’i Jakoba.+ Sela.   Avia ianareo hijery ny asan’i Jehovah.+Manao zava-mahagaga eto an-tany izy.+   Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany izy.+Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona.+Dorany ny kalesin’ady.+ 10  “Milefera ianareo, ary aoka ho fantatrareo fa izaho no Andriamanitra.+Hisandratra eo amin’ireo firenena aho,+Ary hisandratra eran-tany.”+ 11  Momba antsika i Jehovah Tompon’ny tafika.+Tendrombohitra fandosirantsika ilay Andriamanitr’i Jakoba.+ Sela.

Fanamarihana