Salamo 5:1-12

  • Fialofan’ny olo-marina i Jehovah

    • Halan’i Jehovah ny faharatsiana (4, 5)

    • ‘Tariho aho fa manao ny rariny ianao’ (8)

Ho an’ny mpitarika ny Nehilota.* Hiran’i Davida. 5  Henoy ny teniko, Jehovah ô!+Misento aho ka mba henoy.  2  Henoy ny antso vonjy ataoko,Ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô, fa ianao no ivavahako.  3  Jehovah ô, haheno ny feoko ianao amin’ny maraina;+Horesahiko aminao amin’ny maraina izay mampanahy ahy,+ ary tsy ho andriko izay hahazoana ny valiny.  4  Fa tsy mba Andriamanitra faly amin’ny faharatsiana ianao;+Tsy misy olon-dratsy afaka miara-monina aminao.+  5  Tsy misy mpirehareha mahajoro eo anatrehanao. Mankahala an’izay rehetra manao ratsy ianao;+  6  Haringanao izay milaza lainga.+ Halan’i Jehovah ny olona mahery setra* sy mpamitaka.+  7  Izaho kosa hiditra ao an-tranonao+ satria tena be fitiavana sy tsy mivadika ianao;+Hiankohoka manandrify ny tempolinao masina* aho, noho ny fahatahorako anao.+  8  Jehovah ô, manao ny rariny ianao. Tariho aho fa manodidina ahy ny fahavaloko;Ataovy tsy misy sakantsakana ny lalanao mba handehanako.+  9  Fa tsy misy azo atokisana izay lazain’izy ireo;Tsy mieritreritra afa-tsy ny hanisy ratsy izy ireo;Fasana misokatra ny tendany;Mandokadoka amin’ny lelany+ izy ireo. 10  Hambaran’Andriamanitra hoe meloka anefa izy ireo;Ny tetika nataony ihany no hahavoa azy.+ Enga anie izy ireo ho voaroaka fa nandika lalàna imbetsaka,Satria nikomy taminao! 11  Hifaly kosa izay rehetra mialoka aminao;+Hihoby foana izy ireo. Hosakananao izay manatona hamely azy,Ary hifaly aminao izay tia ny anaranao. 12  Fa hotahinao ny olo-marina, Jehovah ô!Hataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe ny fankasitrahanao.+

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “mpandatsa-dra.”
Na: “toeranao masina.”