Salamo 50:1-23

  • I Jehovah no mitsara ny tsy mivadika aminy sy ny ratsy fanahy

    • Fifanekena amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny sorona (5)

    • “Andriamanitra no Mpitsara” (6)

    • An’i Jehovah ny biby rehetra (10, 11)

    • Ahariharin’i Jehovah ny zavatra ataon’ny ratsy fanahy (16-21)

Hiran’i Asafa.+ 50  Ilay Andriamanitry ny andriamanitra, dia i Jehovah,*+ no miteny;Miantso ny tany izy,Hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany.*  2  Avy ao Ziona, tanàna tonga lafatra amin’ny hatsaran-tarehy,+ no amirapiratan’Andriamanitra.  3  Ho avy ilay Andriamanitsika, ary tsy hangina fotsiny izy.+ Misy afo mandevona eo alohany,+Ary misy tafio-drivotra mahery mifofofofo manodidina azy.+  4  Miantso ny lanitra sy ny tany izy,+Mba hitsara ny vahoakany.+ Hoy izy:  5  “Vorio eto anatrehako ny olona tsy mivadika amiko,Dia ireo nanao fifanekena tamiko tamin’ny alalan’ny sorona.”+  6  Ny lanitra manambara ny fahamarinan’Andriamanitra,Fa Andriamanitra no Mpitsara.+ (Sela)  7  “Mihainoa, ry vahoakako, fa hiteny aho;Ry Israely, hijoro ho vavolombelona hiampanga anao aho.+ Izaho no Andriamanitra, ilay Andriamanitrao.+  8  Tsy noho ny sorona nataonao no ananarako anao,Na noho ny fanatitra dorana natolotrao, izay eto anatrehako foana.+  9  Tsy mila maka ombilahy any an-tranonao aho,Na osy* ao am-balanao.+ 10  Fa ahy ny bibidia rehetra any an’ala,+Na dia ny bibidia eny amin’ireo tendrombohitra arivo aza. 11  Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra;+Ahy ny biby tsy hita isa eny an-tsaha. 12  Raha noana aho, dia tsy hiteny aminao,Satria ahy ny tany lonaka sy izay rehetra ao aminy.+ 13  Hihinana henan’ombilahy angaha ahoSa hisotro ran’osy?+ 14  Fisaorana no atolory ho sorona ho an’Andriamanitra,+Ary tanteraho ny voady nataonao tamin’ny Avo Indrindra;+ 15  Antsoy aho rehefa ao anatin’ny sarotra ianao.+ Dia hamonjy anao aho, ka hanome voninahitra ahy ianao.”+ 16  Fa hoy kosa Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy: “Ianao angaha manana zo hanonona ny fitsipiko,+Na hiresaka momba ny fifanekena nataoko?+ 17  Ianao mantsy mankahala anatra,*Ary tsy raharahianao foana ny teniko.*+ 18  Rehefa mahita mpangalatra ianao, dia mankasitraka ny ataony,*+Ary miaraka foana amin’ny mpanitsakitsa-bady ianao. 19  Avelanao hanely zava-dratsy ny vavanao,Ary tsy mitsahatra miteny fitaka ny lelanao.+ 20  Mipetraka manaratsy ny rahalahinao ianao;+Resadresahinao ny fahadisoan’ny* zanaky ny reninao. 21  Rehefa nanao an’izany rehetra izany ianao, dia nangina tsy niteny aho,Ka nieritreritra ianao hoe hoatr’anao ihany aho. Hananatra anao anefa aho izao,Ary hilaza an’izay hiampangako anao.+ 22  Aoka ianareo izay manadino an’Andriamanitra+ handinika an’izany,Sao hamiravira anareo aho ka tsy hisy hamonjy anareo. 23  Izay manolotra fisaorana ho sorona no manome voninahitra ahy.+Ary izay tapa-kevitra ny hanao ny tsara foana,Dia hataoko izay hahitany ny famonjen’Andriamanitra.”+

Fanamarihana

Na: “Ilay Mahery, izany hoe ilay Andriamanitra, dia i Jehovah.”
Na: “Hatrany atsinanana ka hatrany andrefana.”
Abt: “osilahy.”
Abt: “arianao any ivohonao ny teniko.”
Na: “torohevitra.”
Na mety hoe “manaraka azy.”
Na: “Alainao baraka ny.”