Salamo 57:1-11

  • Fitalahoana famindram-po

    • Mialoka eo ambany elatr’i Jehovah (1)

    • Latsaka ao amin’ny fandrika nataony ihany ny fahavalo (6)

Ho an’ny mpitarika; atao mifanaraka amin’ilay hoe “Aza Mandringana.” Miktama* nataon’i Davida, rehefa nandositra an’i Saoly izy ka nankao anaty lava-bato.+ 57  Iantrao aho Andriamanitra ô! Iantrao aho,Fa mialoka aminao.+Mialoka eo ambany aloky ny elatrao aho, mandra-pahalasan’ny loza.+  2  Miantso an’Andriamanitra Avo Indrindra aho,Dia ilay tena Andriamanitra, izay mampitsahatra ny loza mba hiarovana ahy.  3  Haniraka mpanampy avy any an-danitra izy ka hamonjy ahy.+ Hataony misahotaka izay mitady handrapaka ahy. (Sela) Haniraka ny fitiavany sy ny tsy fivadihany Andriamanitra.+  4  Voahodidin’ny liona aho;+Voatery matory eo anivon’ny olona te handrapaka ahy aho.Toy ny lefona sy zana-tsipìka ny nifin’izy ireoAry toy ny sabatra maranitra ny lelany.+  5  Misandrata any ambonin’ny lanitra, Andriamanitra ô!Enga anie ny voninahitrao hanerana ny tany manontolo!+  6  Nanomana harato hamandrihana ny tongotro izy ireo;+Mitanondrika noho ny fahoriana aho.+ Nihady lavaka hamandrihana ahy izy ireo,Nefa izy ireo ihany no latsaka tao.+ (Sela)  7  Tsy miovaova mihitsy ny foko, Andriamanitra ô!+Tsy miovaova mihitsy ny foko. Hihira sy hitendry mozika ho anao aho.  8  Mifohaza, ry voninahitro. Mifohaza, ry zavamaneno fitendry ô! Ianao koa, ry harpa ô! Hofohaziko ny maraina mangiran-dratsy.+  9  Hidera anao eo amin’ny vahoaka aho, Jehovah ô!+Hihira fiderana* ho anao eo amin’ireo firenena aho.+ 10  Fa tena lehibe ny fitiavanao ka tonga hatreny amin’ny lanitra,+Ary ny tsy fivadihanao mipaka hatreny amin’ny rahona. 11  Misandrata any ambonin’ny lanitra, Andriamanitra ô!Enga anie ny voninahitrao hanerana ny tany manontolo!+

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “Hitendry mozika.”