Salamo 59:1-17

  • Ampinga sy fialofana i Jehovah

    • ‘Aza iantrana ny mpamadika’ (5)

    • ‘Hihira momba ny herinao aho’ (16)

Ho an’ny mpitarika; atao mifanaraka amin’ilay hoe “Aza Mandringana.” Miktama* nataon’i Davida, tamin’i Saoly naniraka olona hanao andry maso ny tranon’i Davida,* mba hamonoana azy ho faty.+ 59  Vonjeo amin’ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô!+Arovy aho mba tsy ho azon’ireo mitsangana hanohitra ahy.+  2  Afaho tsy ho azon’ireo manao ratsy aho,Ary vonjeo tsy ho azon’ny olona mahery setra.*  3  Jereo fa miafina hamely ahy izy ireo!+Manafika ahy ny lehilahy mahery,Nefa izaho tsy mba nikomy na nanota,+ Jehovah ô!  4  Tsy nanao ratsy akory aho, nefa izy ireo mihazakazaka sy miomana hanafika ahy. Mifohaza rehefa miantso aho, ka mba jereo.  5  Fa ianao, ry Jehovah Andriamanitry ny tafika ô, no Andriamanitry ny Israely.+ Mifohaza handinika ny firenena rehetra. Aza misy iantrana ny mpamadika ratsy saina.+ (Sela)  6  Miverina izy ireo isan-kariva;+Mierona* hoatran’ny alika+ izy ireo ary mandehandeha eran’ny tanàna.+  7  Jereo izay mivoaka* amin’ny vavany;Hoatran’ny sabatra ny molony,+Fa hoy izy ireo: “Iza moa no maheno antsika?”+  8  Hihomehezanao anefa izy ireo, Jehovah ô!+Hesoinao ny firenena rehetra.+  9  Ry Heriko ô, ianao no handrasako;+Fa Andriamanitra no fialofana* azoko antoka.+ 10  Ho avy hanampy ahy ilay Andriamanitra tia ahy sy tsy mivadika amiko;+Hataon’Andriamanitra faly mahita ny fahavaloko resy aho.+ 11  Aza vonoina izy ireo sao hanadino an’izany ny vahoakako. Ampiasao ny herinao ka ataovy mirenireny izy ireo;Ataovy resy izy ireo, ry Jehovah ampinganay ô!+ 12  Noho ny fahotan’ny vavany, eny, noho ny tenin’ny molony,Dia enga anie izy ireo ho voafandriky ny fireharehany,+Noho ny ozona sy fitaka lazainy! 13  Aringano ao anatin’ny hatezerana izy ireo amin’ny farany;+Aringano izy ireo mba tsy hisy intsony;Ataovy fantany fa Andriamanitra no manjaka eo amin’i Jakoba ka hatrany amin’ny faran’ny tany.+ (Sela) 14  Avelao izy ireo hiverina rehefa hariva;Avelao izy ireo hierona* hoatran’ny alika sy handehandeha eran’ny tanàna.+ 15  Aoka izy ireo hirenireny hitady hanina;+Aza avela ho voky na hahita toerana hilasiana izy ireo. 16  Fa izaho kosa hihira momba ny herinao;+Hiresaka momba ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao aho, rehefa maraina. Fa ianao no fialofana azoko antoka,+Sy toerana fandosirako amin’ny andro ahitako fahoriana.+ 17  Ry Heriko ô, hihira fiderana* ho anao aho!+Fa fialofana azoko antoka Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra tia ahy sy tsy mivadika amiko.+

Fanamarihana

Jereo F.T.
Abt: “ny trano.”
Na: “lian-dra.”
Na: “Mivovò.”
Na: “miboiboika.”
Na: “toerana avo.”
Na: “hivovò.”
Na: “hitendry mozika.”