Salamo 6:1-10

  • Fitalahoana famindram-po

    • Tsy midera an’i Jehovah ny maty (5)

    • Ren’i Jehovah ny fitalahoana famindram-po (9)

Ho an’ny mpitarika; ampiarahina amin’ny zavamaneno fitendry atao Seminita.* Hiran’i Davida. 6  Jehovah ô, aza tezitra rehefa mananatra ahy ianao,Ary aza misafoaka rehefa manitsy ahy.+  2  Iantrao* aho, Jehovah ô, fa mihareraka. Sitrano aho, Jehovah ô,+ fa mangozohozo ny taolako.  3  Mikorontan-tsaina be aho,+Ka manontany anao hoe: Jehovah ô, mandra-pahoviana no hitohy izao?+  4  Miverena ka afaho aho, Jehovah ô!+Vonjeo aho fa be fitiavana sy tsy mivadika ianao.+  5  Tsy afaka miresaka* momba anao mantsy ny maty.Iza ao amin’ny Fasana* no hidera anao?+  6  Sasatry ny misento aho;+Vonton’ny ranomasoko* ny fandrianako mandritra ny alina;Kotsan’ny ranomasoko ny farafarako.+  7  Reraky ny alahelo ny masoko+Sady manjavozavo,* noho ny ataon’izay rehetra mampijaly ahy.  8  Mialà eto amiko ianareo rehetra manao ratsy,Fa ho ren’i Jehovah ny fitomaniako.+  9  Ho ren’i Jehovah ny fitalahoako famindram-po;+Hohenoin’i Jehovah ny vavaka ataoko. 10  Ho menatra be sy ho very hevitra ny fahavaloko rehetra;Handositra izy ireo ka ho afa-baraka+ tampoka.

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “Amindrao fo.”
Jereo F.T.
Na: “mahatsiaro.”
Abt: “Ataoko milomano.”
Na: “mihantitra.”