Salamo 62:1-12

Ho an’ny mpitarika ny Jedotona. Hiran’i Davida. 62  Andriamanitra no andrasako amim-panginana.+Fa avy aminy ny famonjena ahy.+   Izy tokoa no vatolampiko sy mpamonjy ahy, eny, tendrombohitra fandosirako,+Ka tsy hangozohozo loatra aho.+   Mandra-pahoviana ianareo no hikoropaka hamely ny olona tianareo hovonoina?+Ianareo rehetra dia toy ny manda mitongilana, eny, manda vato efa hirodana.+   Manoro hevitra izy ireny nefa ny hahavery haja ny olona no kendreny,+Mahafinaritra azy ny lainga.+Am-bava izy mirary soa, nefa ao am-pony izy manozona.+ Sela.   Hiandry an’Andriamanitra amim-panginana tokoa aho,+Satria izy no antenaiko.+   Izy tokoa no vatolampiko sy mpamonjy ahy, eny, tendrombohitra fandosirako,+Ka tsy hangozohozo aho.+   Avy amin’Andriamanitra ny famonjena ahy sy ny voninahitro.+Vatolampy mafy sy fialofana ho ahy Andriamanitra.+   Matokia azy foana, rey olona!+Aoka ianareo hamboraka aminy ny ao am-ponareo.+Fialofantsika Andriamanitra.+ Sela.   Toy ny fofonaina ihany ny zanak’olombelona,+Tsy azo ianteherana ny taranak’olombelona.+Mbola maivana noho ny fofonaina izy rehetra, raha atao eo ambony mizana.+ 10  Aza miantehitra amin’ny fanambakana,+Ary aza matoky ny fandrobana, fa zava-poana izany.+Na mitombo aza ny fanananareo, dia aza manankim-po amin’izany.+ 11  Indray mandeha no nitenenan’Andriamanitra, ary indroa no nandrenesako hoe:+An’Andriamanitra ny hery.+ 12  Anao koa ny hatsaram-panahy feno fitiavana, Jehovah ô,+Fa ianao no mamaly ny tsirairay araka ny asany.+

Fanamarihana