Salamo 65:1-13

Ho an’ny mpitarika. Hira fiderana nataon’i Davida. 65  Ho anao ny dera sy ny fanginana, ry Andriamanitra any Ziona ô!+Ary aminao no hanefana ny voady.+   Ry Mpihaino vavaka ô, ianao no hohatonin’ny karazan’olona rehetra.+   Tototry ny fahadisoana aho.+Ary ny helokay, dia ianao no hamela* azy.+   Sambatra izay fidinao sy ampanatoninao,+Mba hitoetra eo an-tokotanin’ny tempolinao.+Ho afa-po tokoa izahay amin’ny zava-tsoa ao an-tranonao,+Dia ao amin’ny tempolinao masina.+   Zavatra mampahatahotra sy araka ny marina no avalinao anay,+Ry Andriamanitry ny famonjena anay ô,+Ry ilay Itokisan’ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany sy ireo any an-dranomasina lavitra.+   Mampiorina mafy ny tendrombohitra amin’ny heriny izy.+Misikina fahatanjahana izy,+   Ary mampitony ny feon’ny ranomasina+Sy ny fidoboky ny onjany ary ny tabataban’ireo firenena.+   Hatahotra an’ireo famantarana omenao ny mponina any amin’ny faritra lavitra indrindra.+Entaninao hihoby koa ny masoandro miposaka sy ny masoandro mody.+   Mitsinjo ny tany ianao mba hampahavokatra azy.+Mampahalonaka azy koa ianao.Mikoriana foana ny renirano avy amin’Andriamanitra.+Mampisy vokatra eo aminy ianao,+Rehefa mikarakara ny tany toy izany.+ 10  Vonton-drano ny vava asany, ary voavakivaky ny baingany.+Mandrotsaka oram-be ianao mba hampahalemy ny tany, ary tahinao izay mitsimoka eo aminy.+ 11  Nataonao nandravaka ny taona ny hatsaranao,+Ary zava-tsoa be dia be no miraraka eny amin’izay andalovanao.+ 12  Mitete rano ny kijana any an-tany efitra,+Ary misikina fifaliana ny havoana.+ 13  Feno ondry aman’osy eny amin’ny kijana,+Ary rakotra varimbazaha ny lemaka iva.+Manao horakora-pandresena ireny, eny, mihira.+

Fanamarihana

A.b.t.: “handrakotra.”