Salamo 70:1-5

Ho an’ny mpitarika. Nataon’i Davida ho fampahatsiahivana.+ 70  Afaho haingana aho, Andriamanitra ô!+Mba ampio haingana aho, Jehovah ô!+   Aoka ho menatra sy hangaihay ireo mifofo ny aiko.+Aoka hiverin-dalana sy ho afa-baraka ireo faly amin’ny fahavoazako.+   Aoka hiverin-dalana noho ny henatra ireo miteny hoe: “Tsara ho azy izay!”+   Aoka hifaly sy hiravoravo aminao izay rehetra mitady anao.+Aoka ireo tia ny famonjenao hilaza mandrakariva hoe: “Hankalazaina anie Andriamanitra!”+   Fa ory sy mahantra aho.+Vonjeo haingana aho, Andriamanitra ô!+Ianao no Mpanampy sy Mpanafaka ahy.+Aza ela loatra, Jehovah ô!+

Fanamarihana