Salamo 75:1-10

  • Mitsara araka ny rariny Andriamanitra

    • Hisotro amin’ny kaopin’i Jehovah ny ratsy fanahy (8)

Ho an’ny mpitarika. Atao mifanaraka amin’ilay salamo hoe “Aza Mandringana.” Hiran’i Asafa.+ 75  Misaotra anao izahay, Andriamanitra ô! Misaotra anao izahay;Akaiky anay ianao,*+Ary manambara ny zavatra mahagaga nataonao ny olona.  2  Hoy ianao: “Rehefa avy mifidy fotoana hitsarana aho,Dia hitsara araka ny rariny.  3  Rehefa nihorohoro* ny tany sy ny mponina rehetra teo aminy,Dia izaho no nanao izay hahamafy orina ny andrin’ny tany.” (Sela)  4  Hoy aho amin’ny mpirehareha: “Aza mirehareha”, Ary amin’ny ratsy fanahy: “Aza mieboebo satria hoe mahery ianareo.*  5  Aza mieboebo be satria hoe mahery ianareo,*Ary aza mirehareha rehefa miteny.  6  Fa tsy avy any atsinanana na avy any andrefanaNa avy any atsimo ny voninahitra.*  7  Andriamanitra mantsy no Mpitsara.+ Aetriny ny olona iray ary asandrany ny iray.+  8  Fa misy kaopy eny an-tanan’i Jehovah,+Ary divay mandroatra sy mahery be* no ao anatiny. Tena hararany izany,Ka hisotro an’ilay izy hatramin’ny faikany ny ratsy fanahy rehetra eto an-tany.”+  9  Fa izaho kosa hanambara an’izany mandrakizay;Hihira fiderana* ho an’ny Andriamanitr’i Jakoba aho. 10  Hoy mantsy izy: “Hataoko tsy manan-kery intsony* ny ratsy fanahy,Fa hampitomboina kosa ny herin’ny* olo-marina.

Fanamarihana

Abt: “Akaiky ny anaranao.”
Abt: “nihalevona.”
Abt: “Aza asandratra ny tandrokareo.”
Abt: “Aza asandratra avo ny tandrokareo.”
Abt: “fisandratana.”
Na: “sy misy fangarony be dia be.”
Na: “Hitendry mozika.”
Abt: “Hotapahiko ny tandroky.”
Abt: “hasandratra kosa ny tandroky ny.”