Salamo 80:1-19

  • Fangatahana amin’ilay Mpiandry ny Israely mba haveriny hoatran’ny taloha

    • “Ataovy lasa hoatran’ny taloha indray izahay, Andriamanitra ô” (3)

    • Voalobok’Andriamanitra ny Israely (8-15)

Ho an’ny mpitarika; atao mifanaraka amin’ny “Lisy.” Fampahatsiahivana. Hiran’i Asafa.+ 80  Mihainoa, ry Mpiandry ny Israely ô,Dia ianao izay mitarika an’i Josefa toy ny fitarika andian’ondry.+ Mamirapirata,*Ry ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana eo ambonin’ny* kerobima+ ô!  2  Asehoy ny herinao+Eo anatrehan’i Efraima sy Benjamina ary Manase;Tongava mamonjy anay.+  3  Ataovy lasa hoatran’ny taloha indray izahay,+ Andriamanitra ô!Aoka ianao ho miramirana* aminay, mba ho voavonjy izahay.+  4  Ry Jehovah Andriamanitry ny tafika ô, mandra-pahoviana no hampahatezitra anao ny* vavaky ny vahoakanao?+  5  Ranomaso no ataonao sakafony,Ary ranomaso havozona no ampisotroinao azy.  6  Avelanao hifandroritan’ny manodidina izahay;Maneso anay foana ny fahavalonay isaky ny te hanao an’izany.+  7  Ataovy lasa hoatran’ny taloha indray izahay, ry Andriamanitry ny tafika ô!Aoka ianao ho miramirana* aminay, mba ho voavonjy izahay.+  8  Nisy voaloboka+ nafindranao avy tany Ejipta. Noroahinao ireo firenena, dia nambolenao ilay voaloboka.+  9  Nodiovinao ny toerana hambolenao azy,Ka namaka izy io ary nameno an’ilay tany.+ 10  Nanarona an’ireo tendrombohitra ny alokalony,Ary nandrakotra an’ireo hazo sederan’Andriamanitra ny sampany. 11  Nisandrahaka hatrany amin’ny ranomasina ny sampany,Ary hatrany amin’ny Renirano*+ ny rantsany. 12  Nahoana no noravanao ny fefy vato manodidina an’ilay tanimboaloboka,+Ka mioty ny voany+ izay rehetra mandalo? 13  Trongitrongisin’ny lambo avy any an’ala ilay izy,Ary hohanin’ny bibidia avy any an-tsaha.+ 14  Miverena re, ry Andriamanitry ny tafika ô! Mijere avy any an-danitra! Karakarao ity voaloboka ity,+ 15  Dia ilay foto-boaloboka nambolen’ny tananao ankavanana,+Ary tsinjovy ilay solofony* izay nohatanjahinao ho anao.+ 16  Kilan’ny afo+ ilay izy sady voakapa. Ringana izy ireo noho ny anatra mafy nataonao.* 17  Ny tananao anie hanohana an’ilay olona eo an-tananao ankavanana,Dia ilay zanak’olona nohatanjahinao ho anao!+ 18  Amin’izay dia tsy hiala aminao izahay. Tsimbino ny ainay mba hiantsoanay ny anaranao. 19  Ataovy lasa hoatran’ny taloha indray izahay, ry Jehovah Andriamanitry ny tafika ô!Aoka ianao ho miramirana* aminay, mba ho voavonjy izahay.+

Fanamarihana

Na: “Asehoy ny famirapiratanao.”
Na mety hoe “eo anelanelan’ny.”
Abt: “hampamirapiratra ny tavanao.”
Abt: “ianao no hanetroka amin’ny.”
Abt: “hampamirapiratra ny tavanao.”
Izany hoe Eofrata.
Na: “zanany kely; sampany.”
Abt: “ny fananaran’ny tavanao.”
Abt: “hampamirapiratra ny tavanao.”