Salamo 82:1-8
Hiran’i Asafa.+
82 Maka ny toerany Andriamanitra eo amin’ny fivorian’ireo andriamanitra;*+Eo afovoan’ireo andriamanitra* Izy no mitsara,+ ka milaza hoe:
2 “Mandra-pahoviana ianareo no hanao ny tsy rariny rehefa mitsara,+Na hiangatra amin’ny ratsy fanahy?+ (Sela)
3 Arovy* ny madinika sy ny kamboty ray.+
Omeo rariny ny olona tsy misy mpiaro sy ny tsy manana na inona na inona.+
4 Afaho ny madinika sy ny mahantra,Ka vonjeo eo an-tanan’ny ratsy fanahy.”
5 Sady tsy mahalala izy ireo* no tsy mahatakatra na inona na inona;+Mitsapatsapa ao anaty haizina izy ireo;Voahozongozona daholo ny fototry ny tany.+
6 “Niteny aho hoe ‘andriamanitra*+ ianareo,Zanak’ilay Avo Indrindra ianareo rehetra.
7 Ho faty toy ny olon-drehetra ihany+ anefa ianareo,Ary ho lavo toy ny andriana hafa rehetra!’”+
8 Mitsangàna, Andriamanitra ô, ka tsarao ny tany,+Fa anao ny firenena rehetra.