Salamo 84:1-12
Ho an’ny mpitarika; atao Gitita.* Hiran’ny taranak’i Kora.+
84 Tsara erỳ* ny tranolainao be voninahitra,+Jehovah Tompon’ny tafika ô!
2 Manimanina daholo ny hatrany anatiko lalina any,Eny, tena tsy andriko mihitsyNy ho any an-tokotanin’ny tranolain’i Jehovah.+
Mihoby an’ilay Andriamanitra velona ny foko sy ny tenako manontolo.
3 Na ny vorona aza mahita trano any,Ary ny sidintsidina mahita akanyHikarakarany ny zananyEny akaikin’ny alitaranao be voninahitra, ry Jehovah Tompon’ny tafika ô,Ry Mpanjakako sy Andriamanitro!
4 Sambatra ny olona mipetraka ao an-tranonao!+
Midera anao+ foana izy ireo. (Sela)
5 Sambatra ny olona mahazo hery avy aminao,+Izay te handeha amin’ny lalana mankany an-tranonao.
6 Rehefa mamakivaky ny Lohasaha Bakà* izy ireo,Dia ovany ho toerana misy loharano izany;Ary toy ny akanjo manarona azy ny fitahiana entin’ny orana voalohandohany.*
7 Handeha izy ireo sady hihamatanjaka;+Samy miseho eo anatrehan’Andriamanitra ao Ziona izy ireo.
8 Henoy ny vavaka ataoko, Jehovah Andriamanitry ny tafika ô!Mihainoa, ry Andriamanitr’i Jakoba ô! (Sela)
9 Ry Andriamanitray sy ampinganay+ ô, mba jereo*Sy tsinjovy ilay voahosotrao.+
10 Fa ny indray andro eo an-tokotaninao dia tsara noho ny arivo andro any an-toeran-kafa!+
Aleoko mijoro eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro,Toy izay hipetraka ao amin’ny tranolain’ny ratsy fanahy.
11 Fa masoandro+ sy ampinga+ i Jehovah Andriamanitra;Mankasitraka sy manome voninahitra izy.
I Jehovah dia tsy hiahotra ny hanome zava-tsoaHo an’ireo tsy mivadika.+
12 Ry Jehovah Tompon’ny tafika ô,Sambatra izay olona matoky anao.+