Salamo 86:1-17

  • Tsy misy andriamanitra toa an’i Jehovah

    • Vonona hamela heloka i Jehovah (5)

    • Hanompo an’i Jehovah ny firenena rehetra (9)

    • “Ampianaro ny lalanao aho” (11)

    • ‘Hatahotra ny anaranao amin’ny foko manontolo’ (11)

Vavak’i Davida. 86  Aoka ianao hanongilan-tsofina,* Jehovah ô, ka valio ahoFa mijaly sy mahantra.+  2  Arovy ny aiko satria tsy mivadika aminao aho.+ Mba vonjeo ity mpanomponao izay matoky anao,Fa Andriamanitro ianao.+  3  Iantrao aho, Jehovah ô,+Fa miantso anao tontolo andro.+  4  Ampifalio ity mpanomponao,Fa ianao no ianteherako,* Jehovah ô!  5  Tsara toetra+ sy vonona hamela heloka+ mantsy ianao, Jehovah ô!Be fitiavana sy tsy mivadika amin’izay rehetra miantso anao ianao.+  6  Henoy ny vavaka ataoko, Jehovah ô,Ary henoy tsara ny fitalahoako fanampiana!+  7  Miantso anao aho rehefa ao anatin’ny sarotra,+Satria hamaly ahy ianao.+  8  Tsy misy hoatr’anao ireo andriamanitra, Jehovah ô!+Tsy misy mahavita ny vitanao.+  9  Jehovah ô, ho avy hiankohoka eo anatrehanaoNy firenena rehetra nataonao,+Ary homen’izy ireo voninahitra ny anaranao!+ 10  Fa lehibe ianao ary manao zava-mahagaga;+Ianao irery no Andriamanitra.+ 11  Ampianaro ny lalanao+ aho, Jehovah ô! Handeha amin’ny fahamarinanao+ aho. Ataovy izay hatahorako ny anaranao+ amin’ny foko manontolo.* 12  Midera anao amin’ny foko manontolo+ aho, Jehovah Andriamanitro ô,Ary homeko voninahitra mandrakizay ny anaranao, 13  Satria tena tia ahy sy tsy mivadika amiko ianao,Ary novonjenao ny aiko mba tsy hidina any amin’ny Fasana.*+ 14  Andriamanitra ô, mitsangana hamely ahy ny olona sahisahy ratsy;+Mitady hamono ahy* ny andian’olona tsy mifaditrovana,Ary tsy miraharaha anao izy ireo.*+ 15  Fa ianao kosa, Jehovah ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy mangoraka,*Tsy mora tezitra, tena be fitiavana sy tsy mivadika, ary mendri-pitokisana.*+ 16  Tsinjovy aho ka iantrao.+ Omeo ny herinao ity mpanomponao,+Ary vonjeo ity zanaky ny mpanompovavinao. 17  Omeo famantarana* aho hoe tsara toetra ianao,Mba ho hitan’ireo mankahala ahy izany, ka ho menatra izy ireo. Fa ianao, Jehovah ô, no mpanampy sy mpampionona ahy.

Fanamarihana

Na: “Miondreha ary mihainoa.”
Na: “aminao no anolorako ny tenako.”
Na: “Omeo fo tsy voazarazara aho mba hatahorako ny anaranao.”
Jereo F.T.
Na: “tsy ataon’izy ireo eo anatrehany ianao.”
Na: “Mifofo ny aiko.”
Na: “tsara fanahy.”
Na: “tena tia fahamarinana.”
Na: “porofo.”