Salamo 87:1-7

Hira fiderana nataon’ny taranak’i Kora. 87  Any an-tendrombohitra masina no fototra iorenany.+   Ny vavahadin’i Ziona no tian’i Jehovah kokoa+Noho ny tranolay rehetran’i Jakoba.+   Malaza ho be voninahitra ianao, ry tanànan’ilay tena Andriamanitra!+ Sela.   Hambarako ho isan’ireo mahalala ahy i Rahaba+ sy Babylona.+Hoy aho momba an’i Filistia+ sy Tyro ary Kosy:“Samy teraka tany Ziona ireo.”+   Hisy hilaza momba an’i Ziona hoe:“Samy teraka tany ny tsirairay amin’ireo.”+Ilay Avo Indrindra+ no hanamafy orina an’i Ziona.+   Izao no holazain’i Jehovah, rehefa horaketiny an-tsoratra ireo firenena:+“Samy teraka tany Ziona ireo.”+ Sela.   Hisy mpihira, ary hisy koa mpandihy manao faribolana,+ izay hilaza hoe:“Ao aminao daholo ny loharanoko.”+

Fanamarihana