Salamo 9:1-20
Ho an’ny mpitarika; atao Mota-labena.* Hiran’i Davida.
א [Alefa]
9 Hidera anao amin’ny foko manontolo aho, Jehovah ô!Hilaza an’ireo zavatra rehetra mahatalanjona nataonao+ aho.
2 Hifaly sy hiravoravo aho noho ny aminao;Hihira fiderana* ho an’ny anaranao aho, ry Avo Indrindra ô!+
ב [Beta]
3 Rehefa mitsoaka mandositra ny fahavaloko,+Dia ho tafintohina sy ho ringana eo anatrehanao.
4 Fa niaro ahy ianao mba hahazoako rariny;Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ianao, ka mitsara araka ny rariny.+
ג [Gimela]
5 Nanarinao mafy ireo firenena+ ary naringanao ny ratsy fanahy,Ka nofafanao mandrakizay mandrakizay ny anaran’izy ireo.
6 Ripaka tsy misy intsony ny fahavalo;Noravanao ny tanànany,Ka tsy hotsarovana intsony izy ireo.+
ה [He]
7 I Jehovah kosa mipetraka mandrakizay eo amin’ny seza fiandrianany;+Ataony mafy orina ny seza fiandrianany mba hampiharana ny rariny.+
8 Hotsarainy araka ny rariny ny tany misy mponina;*+Hamoaka didim-pitsarana ara-drariny ho an’ireo firenena izy.+
ו [Vao]
9 Ho fialofana* azo antoka i Jehovah ho an’izay ampahorina,+Dia fialofana azo antoka amin’ny fotoan-tsarotra.+
10 Hatoky anao izay mahalala ny anaranao;+Tsy hafoinao mihitsy izay mitady anao, Jehovah ô!+
ז [Zaina]
11 Manaova hira fiderana ho an’i Jehovah, ilay mipetraka ao Ziona;Ampahafantaro an’ireo firenena ny zavatra nataony.+
12 Fa hahatsiaro an’ireo ampijalina Izy ka hamaly an’izay nandatsaka ny ran’izy ireo;+Tsy hohadinoiny ny fitarainan’izy ireo.+
ח [Heta]
13 Iantrao aho, Jehovah ô! Jereo ny fahoriako noho ny ataon’ireo mankahala ahy.Ianao no mampitsangana ahy hiala eo am-bavahadin’ny fahafatesana,+
14 Mba hanambarako eo am-bavahadin’i Ziona zanakavavy+ ny asa mendri-piderana ataonao,Sy hifaliako noho ny asa famonjena ataonao.+
ט [Teta]
15 Latsaka ao amin’ny lavaka nataony ireo firenena;Ny tongony ihany no voafandriky ny harato nafeniny.+
16 Fantatra amin’ny didim-pitsarana ampihariny i Jehovah.+
Ny zavatra nataon’ny tanan’ny ratsy fanahy ihany no mamandrika azy.+
Higaiona.* (Sela)
י [Yôda]
17 Handositra ho any amin’ny Fasana* ny ratsy fanahy,Dia ny firenena rehetra manadino an’Andriamanitra.
18 Tsy hohadinoina foana kosa ny mahantra;+Ary tsy ho foana mandrakizay ny fanantenan’ny mpandefitra.+
כ [Kafa]
19 Mitsangàna, Jehovah ô! Aza avela handresy ny olombelona mety maty.
Enga anie hotsaraina eo anatrehanao ireo firenena!+
20 Ataovy raiki-tahotra izy ireo, Jehovah ô!+Aoka ho fantatr’ireo firenena fa olombelona mety maty ihany izy ireo. (Sela)