Salamo 90:1-17
Vavak’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra.+
90 Jehovah ô, ianao no fonenanay,*+ hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.
2 Talohan’ny nahaterahan’ny tendrombohitra,Sy talohan’ny nanaovanao* ny tany sy ny tany lonaka,+Dia efa Andriamanitra ianao hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.+
3 Averinao ho vovoka ny olombelona mety maty;Hoy ianao: “Miverena ho vovoka, ry zanak’olombelona.”+
4 Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon’ny omaly,+Toy ny fotoam-piambenana iray amin’ny alina.
5 Mifaoka olona tampoka ianao,+ ka miserana toy ny torimaso izy ireo;Toy ny ahitra mitsimoka+ izy ireo rehefa maraina.
6 Mamony izy rehefa maraina ka mandrobona,Nefa malazo sy maina+ rehefa hariva.
7 Fa ripaka izahay noho ny fahatezeranao,+Ary mihorohoro noho ny fahaviniranao.
8 Ataonao eo anatrehanao* ny fahadisoanay;+Ahariharin’ny hazavan’ny tarehinao ny zavatra ataonay ao amin’ny miafina.+
9 Mihafohy ny androm-piainanay noho ny fahatezeranao;Ary miserana toy ny sento ireo taona iainanay.
10 Maharitra 70 taona ny androm-piainanay,Na 80 taona+ ho an’izay tena matanjaka.*
Feno zava-tsarotra sy alahelo anefa izany;Mihelina ihany ny taona iainanay, ka lasa manidina izahay.+
11 Iza no mahatakatra ny herin’ny fahatezeranao?
Lehibe ny fahaviniranao, ary lehibe hoatr’izany koa ny tahotra mendrika anao.+
12 Ampianaro hanisa ny andronay izahay,+Mba hanananay fo hendry.
13 Miverena, Jehovah ô!+ Haharitra mandra-pahoviana izao?+
Mba iantrao ny mpanomponao!+
14 Ataovy afa-po amin’ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao+ izahay rehefa maraina,Mba ho afaka hihoby sy hifaly,+ amin’ny andro rehetra iainanay.
15 Ampifalio izahay, ka ataovy mitovy amin’ny isan’ny andro nampahorianao anay izany,+Mitovy amin’ny isan’ireo taona maro nahitanay loza.+
16 Ho hitan’ny mpanomponao anie ny asanao,Ary ho hitan’ny taranak’izy ireo anie ny voninahitrao!+
17 Hahazo sitraka amin’i Jehovah Andriamanitray anie izahay!Enga anie mba hataonao mahomby* ny asan’ny tananay!
Mba ataovy mahomby* ny asan’ny tananay.+