Salamo 95:1-11

95  Avia hihoby an’i Jehovah!+Aoka isika hanao horakora-pandresena ho an’ilay Vatolampy mpamonjy antsika.+   Andao isika hankeo anatrehany mba hisaotra azy.+Aoka isika hanao horakora-pandresena sy hihira fiderana ho azy.+   Fa Andriamanitra lehibe i Jehovah,+Sady Mpanjaka lehibe ambonin’ny andriamanitra rehetra.+   Eo an-tanany ny toerana lalina indrindra amin’ny tany,+Ary azy ny tampon-tendrombohitra.+   Azy koa ny ranomasina fa izy no nanao azy,+Ary ny tanany no nanao ny tany maina.+   Midira ka aoka isika hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany.+Aoka isika handohalika+ eo anatrehan’i Jehovah Mpanao antsika.+   Fa izy no Andriamanitsika, ary isika no olona karakarainy eo an-kijanany, sy ondry tarihiny.+Raha mihaino ny feony ianareo anio,+   Dia aza manamafy ny fonareo toy ny tao Meriba,+Sy toy ny tao Masa, tany an-tany efitra,+   Fony nitsapa toetra ahy ny razanareo.+Nisedra ahy izy ireo, ary nahita ny asako.+ 10  Efapolo taona no nankaloiloy ahy izany taranaka izany.+Koa hoy aho:“Olona maniasia ao am-pony ireo,+Ary tsy mahalala ny lalako.”+ 11  Momba azy ireo no nianianako tamin-katezerana hoe:+“Tsy hiditra amin’ny fitsaharako ireo.”+

Fanamarihana