Titosy 1:1-16

1  Paoly, mpanompon’Andriamanitra+ sady apostolin’i+ Jesosy Kristy, araka ny finoan’ny olom-boafidin’Andriamanitra+ sy ny fahalalana marina tsara+ ny fahamarinana,+ izay mifanaraka amin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra.+  Izany fahafoizan-tena izany dia miorina amin’ny fanantenana fiainana mandrakizay,+ izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga,+ eny, efa nampanantenainy hatry ny ela be.+  Tamin’ny fotoana voatondrony, dia nasehony ny teniny tamin’ny alalan’ilay fitoriana nankinina tamiko,+ araka ny didin’Andriamanitra Mpamonjy+ antsika.  Ho an’i Titosy, tena zanako+ araka ny finoana iombonantsika, Ho aminao anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fiadanana izay avy amin’Andriamanitra Ray+ sy Kristy Jesosy Mpamonjy antsika!+  Ny namelako anao tany Kreta,+ dia ny hanitsianao ireo zavatra tsy nety sy ny hanendrenao+ anti-panahy isan-tanàna, araka ny nandidiako anao,+  dia lehilahy tsy misy hokianina,+ manambady tokana,+ manana zanaka mpino izay tsy ampangaina ho miliba no sady tsy maditra.+  Tsy maintsy ho olona tsy misy hokianina ny mpiandraikitra+ satria mpanompon’Andriamanitra.+ Tsy maintsy ho olona tsy be di-doha+ koa izy, tsy mora tezitra,+ tsy mpimamo mila ady,+ tsy mpikapoka,+ tsy tia tombony azo tamin’ny tsy marina,+  fa tia mandray vahiny+ kosa, tia izay tsara, misaina tsara,+ marina, tsy mivadika,+ mahafehy tena,+  mitana mafy ilay teny azo antoka rehefa mampianatra,+ mba hahaizany handrisika ny hafa amin’ny fampianarana mahasoa+ sy hahaizany hananatra+ an’izay manohitra. 10  Maro mantsy no tsy manaiky hofehezina, mpanao resaka tsy misy fotony+ ary mpamitaka, indrindra fa ireo mifikitra amin’ny famorana.+ 11  Mila tampenam-bava ireny olona ireny, satria ireny indrindra no manimba ny finoan’ny ankohonana manontolo,+ noho izy mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina, mba hahazoany tombony amin’ny tsy marina.+ 12  Hoy ny iray amin’izy ireo, izay mpaminany teo aminy: “Mpandainga foana ny Kretanina, bibidia masiaka+ sady kamo be tenda.” 13  Marina izany fanambarana izany. Koa anaro mafy+ hatrany izy ireny mba hatanjaka+ amin’ny finoana, 14  ka tsy hihaino angano+ jiosy sy didy nataon’olona+ izay miala amin’ny fahamarinana.+ 15  Madio ny zava-drehetra amin’ny olona madio,+ fa amin’ny olona voaloto+ sy tsy manam-pinoana+ kosa, dia tsy misy madio, fa samy voaloto na ny sainy na ny feon’ny fieritreretany.+ 16  Milaza ampahibemaso ho mahafantatra an’Andriamanitra+ izy ireny, kanefa mandà azy amin’ny ataony,+ satria maharikoriko sy tsy mankatò ary tsy mendrika+ hanao asa tsara na inona na inona izy ireny.

Fanamarihana