Titosy 3:1-15

3  Ampahatsiahivo hatrany izy ireo mba hanaiky+ sy hankatò ny fanjakana sy ny manam-pahefana mpitondra,+ ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra,+  tsy hanaratsy olona, tsy ho tia ady,+ fa hahay handanjalanja+ sy halemy fanahy tanteraka amin’ny olona rehetra.+  Isika koa aza fahiny mba tsy nisaina sy tsy nankatò sy voafitaka sady nandevozin’ny fanirian-dratsy sy ny fahafinaretana maro samihafa, ary nanao ratsy foana sy nialona sy naharikoriko ary nifankahala.+  Rehefa naseho anefa ny hatsaram-panahy+ sy ny fitiavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika,+  dia namonjy antsika izy, tsy noho ny nanaovantsika izay mahitsy anefa,+ fa noho ny famindram-pony.+ Novonjeny isika tamin’ny alalan’ny fanadiovana*+ izay nitondra fiainana+ ho antsika sy tamin’ny alalan’ny fanavaozan’ny fanahy* masina.+  Nandatsahany be dia be tamin’io fanahy io isika, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Mpamonjy antsika,+  mba hahatonga antsika ho mpandova+ araka ny fanantenana fiainana mandrakizay,+ rehefa avy nambara ho marina+ isika noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa.+  Azo antoka izany teny izany.+ Ary tiako hoantitranterinao foana izany zavatra izany, mba hampifantoka ny sainy amin’ny fanaovana asa tsara+ foana ireo mino an’Andriamanitra. Tsara sady mahasoa ny olona mantsy izany zavatra izany.  Ialao anefa ny fanontaniana adaladala,+ ny tetirazana,+ ny fifamaliana,+ ary ny ady momba ny Lalàna,+ fa sady tsy mahasoa izany no zava-poana. 10  Halaviro+ ny olona mamorona sekta,+ rehefa avy nanarinao indray mandeha ary mbola nanarinao fanindroany,+ 11  satria fantatrao fa nania ny olona toy izany ary manota, ka manameloka ny tenany.+ 12  Rehefa irahiko ho any aminao i Artema na i Tykiko,+ dia ataovy izay rehetra azonao atao mba hahatongavana any amiko any Nikopolia, fa nanapa-kevitra ny handany ny ririnina+ any aho. 13  Omeo an’i Zena, izay mahay ny Lalàna, sy Apolosy ny zava-drehetra ilainy ho amin’ny diany, mba tsy ho ory na inona na inona+ izy ireo. 14  Aoka koa ny rahalahintsika hianatra ny hanao asa tsara foana mba hahazoany izay tena ilainy,+ sao tsy hahavokatra+ izy. 15  Mampamangy,+ hono, ianao, hoy izay rehetra eto amiko. Mampamangy any amin’ireo miraiki-po aminay ao amin’ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa!+

Fanamarihana

Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.
A.b.t.: “fampandroana.”