Zakaria 1:1-21

1  Tamin’ny volana fahavalo tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy,+ dia tonga tamin’i Zakaria+ mpaminany zanak’i Berekia, zanak’i Ido,+ ny tenin’i Jehovah, nanao hoe:  “Tezitra tamin’ny razanareo i Jehovah, ary tena tezitra mafy.+  “Ary lazao amin’izy ireo hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “‘Miverena amiko’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ‘dia hiverina aminareo aho’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.”’  “‘Aza manahaka ny razanareo,+ izay nitenenan’ny mpaminany fahiny+ hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mialà amin’ny lalan-dratsinareo sy ny ratsy fanaonareo, ka miverena amiko.’”’+ “‘Tsy nihaino anefa izy ireo, ary tsy niraharaha izay nolazaiko’,+ hoy i Jehovah.  “‘Aiza izao ny razanareo?+ Ary ny mpaminany,+ velona mandrakizay ve ireny?  Ary ny teniko sy ny fitsipika izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko,+ tsy nihatra tamin’ny razanareo ve izany?’+ Koa niova hevitra izy ireo ka niaiky hoe: ‘Araka izay efa noeritreretin’i Jehovah Tompon’ny tafika hatao amintsika,+ sy araka izay lalana narahintsika, ary araka izay nataontsika, no ataony amintsika.’”+  Tamin’ny andro fahefatra amby roapolon’ny volana fahiraika ambin’ny folo, izany hoe ny volana Sebata, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy,+ dia tonga tamin’i Zakaria+ mpaminany zanak’i Berekia, zanak’i Ido,+ ny tenin’i Jehovah.  “Izao no hitako tamin’ny alina: Nisy lehilahy+ nitaingina soavaly mena,+ nijanona teny amin’ireo hazo mirta+ tao amin’ny hantsana lalina. Ary nisy soavaly mena sy soavaly mena midorehitra ary soavaly fotsy tao aoriany.”+  Dia hoy aho: “Fa iza ireo, tompoko?”+ Ary hoy ilay anjely niresaka tamiko:+ “Holazaiko aminao hoe iza ireo.” 10  Dia hoy ilay lehilahy nijanona teny amin’ireo hazo mirta: “Ireo no nirahin’i Jehovah hivezivezy eny amin’ny tany.”+ 11  Ary hoy izy ireo tamin’ilay anjelin’i Jehovah nijanona teny amin’ireo hazo mirta: “Efa nivezivezy teny amin’ny tany izahay,+ ka hitanay fa milamina tsy misy korontana ny tany manontolo.”+ 12  Dia niteny ilay anjelin’i Jehovah hoe: “Ry Jehovah Tompon’ny tafika ô, mandra-pahoviana ianao no tsy hamindra fo amin’i Jerosalema sy ireo tanànan’i Joda,+ izay nomelohinao nandritra izay fitopolo taona+ izay?” 13  Teny mahafinaritra sy mampionona no navalin’i Jehovah+ an’ilay anjely niresaka tamiko. 14  Ary hoy indray ilay anjely niresaka tamiko: “Manaova antso avo hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Mahasaro-piaro ahy mafy i Jerosalema sy Ziona.+ 15  Tezitra mafy amin’ireo firenena miadana+ aho. Tezitra kely+ ihany aho mantsy tamin’izany fotoana izany, fa izy ireo kosa vao mainka nampitombo ny loza.”’+ 16  “Koa izao no lazain’i Jehovah: ‘“Hiverina eto Jerosalema tokoa aho ka hamindra fo aminy.+ Dia haorina eto ny tranoko”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “ary hohenjanina eto amin’i Jerosalema ny tady fandrefesana.”’+ 17  “Manaova antso avo koa hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Mbola hitobaka ao amin’ireo tanànako ny zava-tsoa.+ Ary mbola hanenina noho ny amin’i Ziona i Jehovah,+ sady mbola hifidy an’i Jerosalema.”’”+ 18  Ary nanopy ny masoko aho ka nahita tandroka+ efatra. 19  Dia hoy aho tamin’ilay anjely niresaka tamiko: “Fa inona ireo?” Ary hoy izy: “Ireo no tandroka nampiely an’i Joda+ sy Israely+ ary Jerosalema.”+ 20  Ary nisy mpiasa efatra nasehon’i Jehovah ahy. 21  Dia hoy aho: “Tonga hanao inona ireo?” Ary hoy izy: “Ireo no tandroka*+ nampiely an’i Joda, hany ka tsy nisy olona nahatraka intsony. Ary iretsy kosa tonga mba hampangovitra an’ireo, mba hampiongana ny tandrok’ireo firenena izay manandratra ny tandrony hamely ny tanin’i Joda, ka hampiely ny vahoakany.”+

Fanamarihana

Jereo 1Sa 2:1 f.a.p.