Zakaria 12:1-14

12  Fanambarana: “Ny tenin’i Jehovah momba ny Israely.” Izao no tenin’i Jehovah, Ilay namelatra ny lanitra,+ sy nametraka ny fototry ny tany,+ ary namorona ny ain’ny+ olona, ka nametraka izany ao anatiny:  “Hataoko izay hahatonga an’i Jerosalema+ ho toy ny vilia baolina hampivembena ny firenena rehetra manodidina azy.+ Hatao fahirano koa i Joda sy Jerosalema.+  Ary hataoko toy ny vato+ mavesatra amin’ny firenena rehetra i Jerosalema, amin’izany andro izany.+ Tsy maintsy haratra mafy izay rehetra manainga izany vato izany. Ary hiangona hamely an’i Jerosalema ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany.+  Amin’izany andro izany”,+ hoy i Jehovah, “dia hataoko very hevitra ny soavaly+ rehetra, ary ny mpitaingina azy hataoko lasa adala.+ Hitsinjo ny taranak’i Joda ny masoko,+ fa hataoko jamba kosa ny soavaly rehetran’ireo firenena.  Ary hiteny anakampo ireo lehibem-pokon’i+ Joda hoe: ‘Ny mponin’i Jerosalema no hery ho anay, eny, hery avy amin’ilay Andriamaniny, dia i Jehovah Tompon’ny tafika.’+  Izao no hataoko amin’izany andro izany: Ireo lehibem-pokon’i Joda dia hataoko toy ny fasiana vainafo mandoro ala,+ ary toy ny fanilo mirehitra eny amin’ny varimbazaha vao avy nojinjaina.+ Ary haripak’izy ireo ny firenena rehetra manodidina,+ na ny eny ankavanany na ny eny ankaviany. Mbola honenana ihany anefa i Jerosalema eo amin’ilay misy azy, dia any Jerosalema.+  “Ary ny tranolain’i Joda no hovonjen’i Jehovah voalohany, sao hihoatra lavitra noho ny hatsaran’i Joda ny an’ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema.  I Jehovah ho toy ny fiarovana manodidina ny mponin’i Jerosalema,+ amin’izany andro izany. Ary izay tafintohina dia ho sahala amin’i Davida,+ amin’izany andro izany. Ny taranak’i Davida ho sahala amin’Andriamanitra+ sy ho sahala amin’ilay anjelin’i Jehovah eo anatrehan’izy ireo.+  Ary tsy maintsy haringako ny firenena rehetra ho avy hamely an’i Jerosalema,+ amin’izany andro izany. 10  “Ary handatsahako ny fanahiko ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema, ho mariky ny fankasitrahako+ sy ho valin’ny fitalahoany.+ Dia hijery an’Ilay nolefoniny+ izy ireo ary hitomany mafy noho ny Aminy, toy ny fitomany zanaka lahitokana, sady hidradradradra noho ny aminy, toy ny ataon’ny olona namoy zanaka lahimatoa.+ 11  Hisy fitomaniana mafy ao Jerosalema amin’izany andro izany, toy ilay fitomaniana tao Hadadrimona, teo amin’ny lemak’i* Megido.+ 12  Dia hitomany isam-pianakaviana tokoa ilay tany,+ ka samy hitomany mitokana na ny fianakaviamben’ny taranak’i Davida na ny vehivavy+ ao aminy, na ny fianakaviamben’ny taranak’i Natana+ na ny vehivavy ao aminy, 13  na ny fianakaviamben’ny taranak’i Levy+ na ny vehivavy ao aminy, na ny fianakaviamben’ny taranaky ny Simeita+ na ny vehivavy ao aminy. 14  Ary ny fianakaviambe sisa rehetra dia hitomany isam-pianakaviana, ary ny vehivavy ao aminy hitomany mitokana.+

Fanamarihana

A.b.t.: “lohasaha lemak’i.”