Zakaria 14:1-21

14  “Ho avy ny andro, dia ny andron’i Jehovah.+ Ary hozarazaraina eo anivonao ny zavatra nobaboina teo aminao.  Ary hangoniko hiady amin’i Jerosalema ny firenena rehetra.+ Dia ho babo tokoa ilay tanàna,+ horobaina ny trano, ary hovetavetaina ny vehivavy.+ Hatao sesitany+ ny antsasak’ilay tanàna, fa ny olona sisa+ kosa havela ao ihany.+  “Hivoaka hiady amin’ireo firenena ireo tokoa i Jehovah,+ toy ny tamin’ny andro nanafihany, dia tamin’ny andro niadiany.+  Ary amin’izany andro izany ny tongony dia hijoro eo amin’ny tendrombohitry ny hazo oliva, izay eo atsinanana, tandrifin’i Jerosalema.+ Ary hitresaka eo afovoany+ io tendrombohitry ny hazo oliva io,+ manomboka any amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany andrefana, hany ka hisy lohasaha tena lehibe. Dia hifindra hianavaratra ny antsasak’ilay tendrombohitra, ary ny antsasany hianatsimo.  Ary handositra ho any amin’ilay lohasaha eo anelanelan’ny tendrombohitro ianareo,+ satria hipaka hatrany amin’ny lalana mankany Azela ilay lohasaha. Ary handositra ianareo, toy ny nandosiranareo tamin’ilay horohoron-tany tamin’ny andron’i Ozia mpanjakan’ny Joda.+ Dia ho avy tokoa i Jehovah+ Andriamanitro mbamin’ny anjely masina* rehetra.+  “Amin’izany andro izany, dia tsy hisy hazavana+ mamirapiratra, ka hivaingana+ ny zava-drehetra.  Ary hisy andro iray ho fantatra ho andron’i Jehovah.+ Sady tsy andro izy io, no tsy alina,+ fa mbola hazava ihany na amin’ny takariva aza.+  Ary hisy rano+ velona hikoriana avy ao Jerosalema amin’izany andro izany,+ ka ny antsasany hivarina any amin’ny ranomasina atsinanana,+ ary ny antsasany any amin’ny ranomasina andrefana.+ Dia ho toy izany foana, na fahavaratra na ririnina.+  Ary ho mpanjakan’ny tany manontolo i Jehovah.+ Iray ihany i Jehovah+ amin’izany andro izany, ary iray ihany ny anarany.+ 10  “Ary hiova ho sahala amin’i Araba+ ilay tany manontolo, manomboka any Geba+ ka hatrany Rimona+ any atsimon’i Jerosalema. Hisondrotra izy ka honenana eo amin’izay misy azy,+ manomboka any amin’ny Vavahadin’i Benjamina+ ka hatrany amin’ny Vavahady Voalohany sy hatrany amin’ny Vavahady An-jorony, ary manomboka eo amin’ny Tilikambon’i Hananela+ ka hatrany amin’ny famiazam-boaloboky ny mpanjaka. 11  Hisy mponina tokoa ao Jerosalema, ary tsy hatokana haringana intsony izy.+ Tsy hanana ahiahy+ ny mponina ao aminy. 12  “Ary izao no loza hampiharin’i Jehovah amin’ny olona rehetra hiady amin’i Jerosalema:+ Ho lo ny nofony raha mbola eo am-pitsanganana izy,+ ho lo ny masony ao anaty taolamasony, ary ho lo ao am-bavany ny lelany. 13  “Ary hataon’i Jehovah mifanjevo izy rehetra+ amin’izany andro izany, ka samy hihazona ny tanan’ny namany avy izy ireo ary samy hanainga tanana hifamely. 14  Ary hiady any Jerosalema koa ny Joda. Hangonina ny harenan’ny firenena rehetra manodidina, dia volamena sy volafotsy ary fitafiana be dia be.+ 15  “Ary ho toy izany koa ny loza hanjo ny soavaly, ny ramole, ny rameva, ny ampondralahy, ary ny karazam-biby fiompy rehetra ao amin’ny toby, eny, ho toy izany ny loza hanjo azy ireo. 16  “Ary ny sisa tavela amin’ny firenena rehetra izay tonga hiady amin’i Jerosalema,+ dia hiakatra isan-taona+ hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka,+ dia i Jehovah Tompon’ny tafika,+ sy hankalaza ny fetin’ny trano rantsankazo.+ 17  Ary na iza na iza any amin’ireo firenena+ ambonin’ny tany no tsy miakatra+ any Jerosalema mba hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, izany hoe i Jehovah Tompon’ny tafika, dia tsy hahazo orana mihitsy izy ireo.+ 18  Tsy hahazo orana koa ny firenena ejipsianina raha tsy miakatra mankany. Hampiharina ilay loza hamelezan’i Jehovah an’ireo firenena, dia ireo firenena tsy miakatra hankalaza ny fetin’ny trano rantsankazo. 19  Izany no sazy noho ny fahotan’i Ejipta sy ny fahotan’ny firenena rehetra tsy miakatra hankalaza ny fetin’ny trano rantsankazo.+ 20  “Amin’izany andro izany, dia hisy+ soratra hoe ‘An’i Jehovah ny fahamasinana!’+ eo amin’ny lakolosy kelin’ny soavaly. Ary ho sahala amin’ireo vilia baolina+ eo anoloan’ny alitara,+ ireo vilanibe+ ao an-tranon’i Jehovah. 21  Ho lasa zava-masin’i Jehovah Tompon’ny tafika ny vilanibe rehetra any Jerosalema sy Joda. Ary hiditra izay rehetra manao sorona ka haka amin’ireny vilanibe ireny ary hahandro hena ao anatiny.+ Ary tsy hisy Kananita+ intsony ao an-tranon’i Jehovah Tompon’ny tafika, amin’izany andro izany.”+

Fanamarihana

A.b.t.: “ireo masina.”