Zakaria 2:1-13

2  Ary nanopy ny masoko aho, ka nahita lehilahy iray nitondra tady fandrefesana+ teny an-tanany.  Dia hoy aho: “Ho aiza ianao?” Ary hoy izy: “Handeha handrefy an’i Jerosalema aho, mba hahafantarana ny sakany sy ny lavany.”+  Ary niala teo ilay anjely niresaka tamiko. Dia nisy anjely hafa niainga hitsena azy.  Ary hoy izy taminy: “Mihazakazaha ka lazao amin’irỳ tovolahy irỳ hoe: ‘“Honenana toy ny tanàna ambanivohitra tsy misy manda i Jerosalema,+ satria ho maro be ny olona sy ny biby fiompy ao aminy.+  Ho manda afo manodidina azy aho”,+ hoy i Jehovah, “ary ho heniky ny voninahitro izy.”’”+  “Ô rey olona a! Mandosira avy any amin’ny tany any avaratra”,+ hoy i Jehovah. “Fa naeliko tany amin’ny vazan-tany efatra ianareo”,+ hoy i Jehovah.  “Ô ry Ziona a!+ Mandosira ianao, izay miara-monina amin’i Babylona zanakavavy.+  Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Taorian’ny nanomezam-boninahitra azy,+ dia naniraka ahy ho any amin’ireo firenena nambabo anareo+ izy.’ ‘Fa izay mikasika anareo+ dia mikasika ny anakandriamasoko.+  Ambanako amin’ny tanako izy,+ ka ho babon’ny mpanompony.’+ Dia ho fantatrareo tokoa fa i Jehovah Tompon’ny tafika no naniraka ahy.+ 10  “Mihobia mafy sy mifalia, ry Ziona zanakavavy ô,+ fa ho avy aho,+ ary honina eo aminao”,+ hoy i Jehovah. 11  “Firenena maro no hiandany amin’i Jehovah amin’izany andro izany,+ ka ho tonga oloko.+ Ary honina eo aminao aho.” Dia ho fantatrao fa i Jehovah Tompon’ny tafika no naniraka ahy ho atỳ aminao.+ 12  Ary halain’i Jehovah ho fananany i Joda, ho anjarany eo amin’ny tany masina.+ Ary mbola hifidy an’i Jerosalema izy.+ 13  Mangìna eo anatrehan’i Jehovah,+ ry nofo rehetra, fa efa niainga+ avy tao amin’ny fonenany masina+ izy.

Fanamarihana