Zakaria 3:1-10
3 Ary nasehony ahy i Josoa+ mpisoronabe, izay nijoro teo anatrehan’ilay anjelin’i Jehovah. Teo koa i Satana+ nijoro teo ankavanany mba hanohitra azy.
2 Dia hoy ilay anjelin’i Jehovah tamin’i Satana: “Hiteny mafy anao anie i Jehovah, ry Satana!+ Hiteny mafy anao anie i Jehovah, izay nifidy an’i Jerosalema!+ Tsy kitay sisa tsy may nosintonina avy tao anaty afo ve io lehilahy io?”
3 Nanao akanjo maloto be i Josoa tamin’izy nijoro teo anatrehan’ilay anjely.
4 Ary hoy ilay anjely tamin’ireo nijoro teo anatrehany: “Esory ireny akanjony maloto ireny.” Dia hoy izy tamin’i Josoa: “Efa namela ny fahadisoanao* aho, ka hampanaovina akanjo tsara* be ianao.”+
5 Dia hoy aho: “Asio satroka lamba* madio ny lohany.”+ Dia nasian’izy ireo satroka lamba madio ny lohany, ary nampanaoviny akanjo izy. Ary nijoro teo akaiky teo ilay anjelin’i Jehovah.
6 Dia hoy ilay anjelin’i Jehovah tamin’i Josoa:
7 “Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Raha manaraka an’izay atoroko ianao, ary manao ny andraikitra nomeko anao, dia ianao no ho mpitsara ao an-tranoko+ sy hikarakara* ny tokotaniko. Ary havelako hiditra malalaka hankeo amin’ireo mijoro ireo ianao.’
8 “‘Mihainoa, azafady, ry Josoa Mpisoronabe. Mihainoa ianao sy ireo namanao mipetraka eo anatrehanao, fa atao famantarana ianareo. Efa mitondra an’ilay mpanompoko+ atao hoe Tsimoka+ aho izao.
9 Jereo ilay vato napetrako eo alohan’i Josoa! Misy maso fito eo amin’ny vato iray. Ataoko sokitra ny soratra eo aminy’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ‘ary hesoriko ao anatin’ny iray andro ny helok’ity tany ity.’+
10 “‘Amin’izany andro izany’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ‘dia samy hanasa ny namanareo hialokaloka eo ambanin’ny voalobokareo sy ny aviavinareo ianareo.’”+