Zakaria 4:1-14

4  Niverina ilay anjely niresaka tamiko, ary namoha ahy. Toy ny olona fohazina amin’ny torimaso+ aho tamin’izay.  Dia hoy izy tamiko: “Inona no hitanao?”+ Ary hoy aho: “Mahita fitoeran-jiro aho. Volamena izy manontolo,+ ary misy vilia baolina iray eo an-tampony. Ary eo aminy daholo ny jirony fito, eny, izy fito.+ Misy fantsona fito eo amin’ireo jiro, izay eo an-tampon’ilay fitoeran-jiro.  Ary misy oliva roa maniry eo anilany,+ ny iray eo ankavanan’ilay vilia baolina, ary ny iray eo ankaviany.”  Dia hoy aho tamin’ilay anjely niresaka tamiko: “Inona no dikan’ireo, tompoko?”+  Ary hoy ilay anjely niresaka tamiko: “Tena tsy fantatrao tokoa ve ny dikan’ireo?” Dia hoy aho: “Tsia, tompoko.”+  Ary hoy izy tamiko: “Izao no tenin’i Jehovah amin’i Zerobabela: ‘“Tsy amin’ny alalan’ny tafika,+ na ny hery,+ fa amin’ny alalan’ny fanahiko”,*+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.  Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe?+ Ho lasa tany lemaka ianao eo anatrehan’i Zerobabela.+ Ary hitondra ny vato+ fametraka eny an-tampony izy. Dia hihoby+ ny olona mahita izany, ka hanao hoe: “Tena tsara tarehy izy izany! Tena tsara tarehy mihitsy!”’”+  Ary mbola tonga tamiko ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ny tanan’i Zerobabela no nametraka ny fototr’ity trano ity,+ ary ny tanany koa no hamita ity trano ity.”+ Dia ho fantatrao fa i Jehovah Tompon’ny tafika no naniraka ahy ho atỳ aminareo.+ 10  “Fa iza no manamavo ny andron’ny zava-madinika?+ Ho faly+ ny olona hahita ny pilao eny an-tanan’i Zerobabela. Mason’i Jehovah ireo fito ireo,+ izay mijery eny rehetra eny manerana ny tany.”+ 11  Dia hoy aho taminy: “Inona no dikan’ireo hazo oliva roa eo ankavanan’ilay fitoeran-jiro sy eo ankaviany?”+ 12  Hoy koa aho fanindroany: “Inona no dikan’ireo rantsan’ny hazo oliva roa, izay mamoaka ranon-javatra mivolombolamena, avy amin’ny fantsona volamena roa?” 13  Ary hoy izy tamiko: “Tena tsy fantatrao tokoa ve ny dikan’ireo?” Dia hoy aho: “Tsia, tompoko.”+ 14  Hoy izy: “Ireo no voahosotra roa+ izay mijoro eo anilan’ilay Tompon’ny tany manontolo.”+

Fanamarihana

Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.