Zakaria 5:1-11

5  Ary nanopy ny masoko indray aho ka nahita horonam-boky+ nanidina.  Ary hoy ilay anjely tamiko: “Inona no hitanao?”+ Dia hoy aho: “Mahita horonam-boky manidina aho: Roapolo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany.”  Ary hoy izy: “Iny no ozona mivoaka hitety ny tany manontolo,+ satria tsy nosazina izay nangalatra,+ nefa voasoratra eo amin’ny lafiny iray amin’ilay horonam-boky fa voaozona izay manao izany. Tsy nosazina koa izay nianiana,+ nefa voasoratra eo amin’ny lafiny ilany+ fa voaozona koa izay manao izany.  ‘Nalefako ilay ozona’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ‘ka hiditra ao an-tranon’ny mpangalatra, sy ao an-tranon’izay mianiana lainga amin’ny anarako.+ Dia hitoetra ao an-tranony izany ka handrava an’ilay trano, mbamin’ny hazo sy ny vato nanaovana azy.’”+  Ary niseho indray ilay anjely niresaka tamiko, ka niteny hoe: “Mba atopazo ny masonao, ka jereo iny mivoaka iny.”  Ary hoy aho: “Fa inona iny?” Dia hoy izy: “Efaha famarana iny mivoaka iny.” Ary hoy koa izy: “Sahala amin’iny no fahitana ny olona manerana ity tany ity.”  Nisy sarony firamainty boribory ilay efaha. Rehefa ningaina ilay sarony, dia io fa nisy vehivavy iray nipetraka tao anatin’ilay efaha.  Ary hoy ilay anjely: “Io no Faharatsiana.” Dia natosiny hiverina tao anatin’ilay efaha+ ravehivavy. Ary nosaronany tamin’ilay firamainty ilay efaha.  Ary nanopy ny masoko aho ka nahita vehivavy roa nanatona. Nanidina mafy izy ireo, hany ka nifofofofo teo amin’ny elany ny rivotra. Ary toy ny elatry ny vanobe ny elany. Dia nentiny niakatra ho eo anelanelan’ny tany sy ny lanitra ilay efaha. 10  Ary hoy aho tamin’ilay anjely niresaka tamiko: “Hoentin’izy ireo aiza iny efaha iny?” 11  Dia hoy izy tamiko: “Mba hanorenana+ trano ho an-dravehivavy any amin’ny tany Sinara,+ ary hatao mafy orina izany trano izany. Ary hapetraka any, eo amin’ny toerana tokony hisy azy, ravehivavy.”

Fanamarihana