Zakaria 6:1-15

6  Dia nanopy ny masoko indray aho ka nahita kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan’ny tendrombohitra roa, ary varahina ireo tendrombohitra ireo.  Soavaly mena+ daholo no nitarika an’ilay kalesy voalohany, ary soavaly mainty+ daholo no nitarika an’ilay faharoa.  Soavaly fotsy+ daholo no nitarika an’ilay fahatelo, ary soavaly misy pentimpentina sy soavaly maramara+ no nitarika an’ilay fahefatra.  Dia hoy aho tamin’ilay anjely niresaka tamiko. “Inona no dikan’ireo, tompoko?”+  Ary hoy ny navalin’ilay anjely: “Ireo no fanahy+ efatry ny lanitra. Mivoaka+ avy eo anatrehan’ilay Tompon’ny+ tany manontolo+ izy ireo.  Ilay kalesy tarihin’ireo soavaly mainty dia mivoaka ho any amin’ny tany any avaratra,+ ary ireo soavaly fotsy kosa ho any amin’ny tany eny ampitan’ny ranomasina, ary ireo soavaly misy pentimpentina kosa ho any amin’ny tany any atsimo.+  Ary hivoaka hitady toerana haleha ireo soavaly maramara,+ ka hivezivezy eny amin’ny tany.”+ Dia hoy ilay anjely: “Mandehana mivezivezy eny amin’ny tany.” Dia nivezivezy teny amin’ny tany izy ireo.  Dia niantsoantso izy ka nanao tamiko hoe: “Jereo fa ireo mankany amin’ny tany any avaratra no nampitony ny fahatezeran’i*+ Jehovah tany amin’ny tany any avaratra.”+  Ary mbola tonga tamiko ny tenin’i Jehovah, nanao hoe: 10  “Makà zavatra avy amin’ireo olona any an-tsesitany,+ dia avy amin’i Helday sy Tobia ary Jedaia. Ary amin’izany andro izany, dia mankanesa ao an-tranon’i Josia zanak’i Zefania,+ miaraka amin’ireo olona avy any Babylona ireo. 11  Ary makà volafotsy sy volamena, ka manaova satroboninahitra+ tsara tarehy ary ataovy eo amin’ny lohan’i Josoa+ mpisoronabe, zanak’i Jozadaka, izany. 12  Ary lazao aminy hoe: “‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Io ilay lehilahy+ antsoina hoe Tsimoka.+ Hitsimoka eo amin’izay misy azy izy, ka hanorina ny tempolin’i Jehovah.+ 13  Eny, hanorina ny tempolin’i Jehovah izy, ary hahazo voninahitra.+ Dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana izy ka hanjaka. Ho mpisorona mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana izy.+ Ary hifanaraka tsara ireo andraikiny roa ireo.+ 14  Ary hitoetra ao amin’ny tempolin’i Jehovah ilay satroboninahitra tsara tarehy, ho fahatsiarovana+ an’i Helema sy Tobia sy Jedaia+ ary Hena, zanak’i Zefania. 15  Ary ho tonga ny avy lavitra, ka handray anjara tokoa amin’ny fanorenana ny tempolin’i Jehovah.”+ Dia ho fantatrareo fa i Jehovah Tompon’ny tafika no naniraka ahy ho atỳ aminareo.+ Ho tanteraka izany, raha mihaino ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo tokoa ianareo.’”+

Fanamarihana

Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.