Zakaria 8:1-23

8  Ary mbola tonga tamiko ny tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika, nanao hoe:  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika:+ ‘Hahasaro-piaro ahy mafy i Ziona.+ Hahasaro-piaro ahy izy, ary ho tezitra mafy+ aho.’”  “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hiverina ao Ziona aho,+ ary honina ao Jerosalema.+ Hantsoina hoe tanànan’ny fahamarinana i Jerosalema,+ ary hatao hoe tendrombohitra masina+ ilay tendrombohitr’i Jehovah+ Tompon’ny tafika.’”  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mbola hisy lehilahy sy vehivavy zokiolona hipetrapetraka eny an-tany malalaka ao Jerosalema.+ Samy hitana tehina+ izy ireo satria efa ela niainana.  Ary ho feno ankizilahy sy ankizivavy milalao eny an-tany malalaky ny tanàna.’”+  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Toa sarotra loatra izany amin’ireto vahoaka sisa ireto amin’izany andro izany, nefa sarotra loatra amiko koa ve?’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.”  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Hovonjeko ny oloko, na any amin’ny fiposahan’ny masoandro izy, na ny any amin’ny filentehany.+  Hampodiko izy ireo, ka honina ao Jerosalema.+ Ho oloko izy ireo,+ ary izaho ho Andriamaniny amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana.’”+  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Hatanjaho hiatrika asa ny tananareo,+ dia ianareo izay mandre izany teny izany amin’izao andro izao avy amin’ny vavan’ny mpaminany,+ izay efa teo tamin’ilay andro nametrahana ny fototry ny tranon’i Jehovah Tompon’ny tafika, mba hanorenana ny tempoly.+ 10  Talohan’izao fotoana izao tokoa, dia tsy nisy karama ho an’ny olona,+ ary tsy nisy karama naloa tamin’ny tompon’ny biby fiompy nampiasaina. Vokatry ny nataon’ny fahavalo, dia nitebiteby izay nivoaka sy niditra.+ Nampirisihiko hifamely mantsy ny olona rehetra.’+ 11  “‘Ankehitriny kosa dia tsy ho toy ny taloha intsony no hitondrako an’ireto vahoaka sisa ireto’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. 12  ‘Fa hafafy ny voan’ny fiadanana,+ ka ny voaloboka hamoa,+ ny tany hamokatra,+ ary ny lanitra handrotsaka ny andony.+ Ary homeko ho lovan’ireto vahoaka sisa+ ireto izany rehetra izany.+ 13  Ry taranak’i Joda sy taranak’Israely ô,+ lasa fanozonana ianareo taloha teo amin’ireo firenena.+ Hovonjeko kosa anefa ianareo ka ho lasa fitahiana.+ Aza matahotra,+ ary hatanjaho hiatrika asa ny tananareo.’+ 14  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘“Nikasa ny hahatonga loza taminareo aho noho ny nataon’ny razanareo, izay nampahatezitra ahy”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “ary tsy nanenenako izany.+ 15  Mikasa hanao soa amin’i Jerosalema sy ny taranak’i Joda kosa anefa aho ankehitriny,+ ka aza matahotra.”’+ 16  “‘Ary izao no tokony hataonareo:+ Samia milaza ny marina amin’ny namany avy.+ Mitsarà araka ny rariny, ary aoka ianareo hamoaka didim-pitsarana mampisy fihavanana, eo am-bavahadinareo.+ 17  Aza mamorona teti-dratsy ao am-ponareo hamelezana ny namanareo,+ ary aza tia mianiana lainga,+ satria samy halako ireo zavatra ireo’,+ hoy i Jehovah.” 18  Ary mbola tonga tamiko ny tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika, nanao hoe: 19  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Ho lasa fifaliana sy firavoravoana ary fety be ho an’ny taranak’i Joda,+ ny fifadian-kanina amin’ny volana fahefatra,+ sy amin’ny volana fahadimy,+ sy amin’ny volana fahafito,+ ary amin’ny volana fahafolo.+ Koa tiavo ny fahamarinana sy ny fihavanana.’+ 20  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mbola ho avy ny olona, ary mbola ho tonga ny mponin’ny tanàna maro.+ 21  Dia hankany amin’ny mponin’ny tanàna iray ny mponin’ny tanàna anankiray, ka hanao hoe: “Andao+ haingana hitady sitraka+ amin’i Jehovah sy hitady an’i Jehovah Tompon’ny tafika. Izaho koa mantsy mba handeha.”+ 22  Ary hisy olona maro sy firenena matanjaka ho avy hitady an’i Jehovah Tompon’ny tafika any Jerosalema,+ sy hitady sitraka amin’i Jehovah.’ 23  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Amin’izany andro izany, dia hisy olona folo avy amin’ny fiteny rehetran’ireo firenena+ hihazona+ ny akanjon’ny Jiosy+ iray, ka hanao hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay,+ fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.”’”+

Fanamarihana