Zefania 1:1-18

1  Ny tenin’i Jehovah izay tonga tamin’i Zefania, zanak’i Kosy, zanak’i Gedalia, zanak’i Amaria, zanak’i Hezekia, tamin’ny andron’i Josia+ zanak’i Amona+ mpanjakan’ny Joda:  “Haripako tokoa tsy ho eny ambonin’ny tany ny zava-drehetra”, hoy i Jehovah.+  “Haripako ny olona sy ny biby.+ Haripako ny voro-manidina eny amin’ny lanitra sy ny trondro any an-dranomasina,+ ary ny vato mahatafintohina sy ny ratsy fanahy.+ Haringako tsy ho eny ambonin’ny tany ny olombelona”,+ hoy i Jehovah.  “Haninjitra ny tanako hamely an’i Joda sy ny mponina rehetra ao Jerosalema aho,+ ka haringako tsy ho ao izay sisa amin’i Bala,+ ary hofoanako ny anaran’ireo mpisoron’ny andriamani-kafa mbamin’ny mpisorona hafa.+  Haringako koa ireo mankeny an-tampon-trano mba hiankohoka amin’izay rehetra eny amin’ny lanitra,+ sy ireo miankohoka+ ka mianiana amin’ny anaran’i Jehovah+ sady mianiana amin’ny anaran’i Malkama,+  ary koa ireo mihemotra tsy manaraka an’i Jehovah+ sy tsy mitady an’i Jehovah ary tsy manontany azy.”+  Mangìna eo anatrehan’i Jehovah Tompo Fara Tampony!+ Fa akaiky ny andron’i Jehovah,+ ary nisy sorona efa nomanin’i Jehovah.+ Ary efa nanamasina+ an’ireo nasainy izy.  “Amin’ny andro hanaovan’i Jehovah an’ilay sorona no hamaliako an’ireo andriana, sy ny taranaky ny mpanjaka,+ ary izay rehetra manao fitafian’ny hafa firenena.+  Ary amin’izany andro izany no hamaliako an’izay rehetra miakatra eo amin’ny lampihazo, sy izay mameno herisetra sy fitaka ny tranon’ny tompony.+ 10  Ary amin’izany andro izany”, hoy i Jehovah, “dia hisy feo mikiakiaka avy any amin’ny Vavahadin-trondro,+ sy fidradradradrana avy any amin’ny tanàna vaovao,+ ary feon-javatra mirodorodo mafy avy eny amin’ny havoana.+ 11  Midradradradrà,+ ry mponin’i Maktesy, satria ho ringana ny mpivarotra rehetra+ ary ho ripaka daholo ny mpandanja volafotsy. 12  “Amin’izany andro izany no hitondrako jiro hanaovako savahao an’i Jerosalema,+ ka hamaliako an’ireo lehilahy izay toy ny faikan-divay mihandrona,+ ary manao anakampo hoe: ‘Sady tsy hanao soa i Jehovah no tsy hanisy ratsy.’+ 13  Koa horobaina ny harenany, ary ho lao ny tranony.+ Ary hanao trano izy, nefa tsy hipetraka ao,+ ary hanao tanimboaloboka, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.+ 14  “Akaiky+ ny andro lehiben’i+ Jehovah. Efa akaiky izy io, sady manatona haingana dia haingana.+ Injay ny andron’i Jehovah!+ Mangidy izany andro izany. Amin’izany dia hiantsoantso mafy ny lehilahy mahery.+ 15  Andro fahatezerana izany, andro fahoriana sy fijaliana,+ andro hisian’ny tafiotra sy fandravana, andro maizina sy manjombona,+ andro mandrahona sy maizim-pito, 16  andro hanenoan’ny anjombona sy ny fanairana,+ hamelezana ny tanàna voaro mafy sy ny tilikambo+ avo eny an-jorony. 17  Ary hampahoriko ny olona ka handeha toy ny jamba izy,+ satria efa nanota tamin’i Jehovah.+ Dia hararaka toy ny vovoka ny rany,+ ary ny tsinainy hararaka toy ny taim-biby.+ 18  Na ny volafotsiny na ny volamenany dia tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.+ Fa ho levon’ny afon’ny hafanam-pony ny tany manontolo,+ satria handripaka ny mponina rehetra amin’ny tany izy, eny, hanao fandripahana mahatsiravina.”+

Fanamarihana