Zefania 2:1-15

2  Miangòna ianareo, miangòna,+ ry firenena tsy mahalala menatra.+  Dieny mbola tsy mihatra ny didy,+ dieny mbola tsy mandalo haingana toy ny akofa ny andro, dieny mbola tsy mihatra aminareo ny fahatezerana mafin’i Jehovah,+ dieny mbola tsy tonga aminareo ny andro fahatezeran’i Jehovah,+  dia mitadiava an’i Jehovah+ ianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany,+ izay mankatò ny didim-pitsarany. Katsaho ny fahamarinana,+ katsaho ny fandeferana.+ Angamba+ ho voafina ianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.+  Ho lasa tanàna aolo i Gaza,+ ary tsy hisy mponina i Askelona.+ I Asdoda+ kosa horoahina amin’ny mitataovovonana,+ ary i Ekrona hongotana.+  “Lozan’ny mponina amoron-tsiraka, dia ny firenen’ny Keretita!+ Manameloka anareo ny tenin’i Jehovah. Ry Kanana, tanin’ny Filistinina ô, horavako koa ianao, mba tsy hisy mponina intsony.+  Ary ho lasa kijana+ ny morontsiraka, ka hisy lavadrano ho an’ny mpiandry ondry sy vala* ho an’ny ondry.  Ho lasa faritra honenan’ny sisa amin’ny taranak’i Joda+ izany, ka eo izy ireo no hiraoka ahitra toy ny ondry. Ao amin’ireo trano any Askelona izy ireo no hivalampatra rehefa takariva. Fa hitsinjo azy ireo i Jehovah Andriamaniny+ ka hampody an’ireo babo.”+  “Efa reko ny fandatsan’i Moaba+ sy ny fanevatevan’ny taranak’i Amona,+ izay nandatsany ny oloko sy nireharehany hamely ny faritanin’izy ireo.  Koa raha mbola velona koa aho”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely, “dia ho lasa tahaka an’i Sodoma i Moaba,+ ary ho tahaka an’i Gomora ny taranak’i Amona,+ eny, ho feno tsilo sy hanjary ho lava-tsira ary tsy hisy mponina, mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ Horobain’ny sisa amin’ny oloko izy ireo, ary ho lasa fananan’ny sisa amin’ny vahoakako.+ 10  Izany no ho valin’ny fireharehany,+ satria nandatsa sy nirehareha hamely ny olon’i Jehovah Tompon’ny tafika izy.+ 11  Hampahatahotra i Jehovah rehefa hamely an’ireo,+ fa hataony tsinontsinona ny andriamanitra rehetra ambonin’ny tany.+ Ary hiankohoka eo anatrehany ny olona,+ any amin’izay misy azy avy, eny, ny nosy rehetran’ny hafa firenena.+ 12  “Ianareo koa, ry Etiopianina,+ ho fatin’ny sabatro+ ianareo. 13  “Haninjitra ny tanany hianavaratra izy, ka handrava an’i Asyria.+ Ary hataony tsy misy mponina i Ninive,+ ka ho karakaina toy ny tany efitra. 14  Andiam-biby no hivalampatra ao, dia ny bibidia rehetra any amin’ireo firenena.+ Gisandrano sy sokina+ no hatory eo amin’ireo tendron’ny andry nirodana.+ Ary hisy feo mihirahira eo am-baravarankely. Faharavana no ho eo an-tokonana, fa hahanjahanjany ny takela-kazo+ ravaky ny rindrina. 15  Io ilay tanàna nifaly sy tsy nanana ahiahy,+ izay nanao anakampo hoe: ‘Izaho no izy, ary tsy misy afa-tsy izaho.’+ Hanjary higagan’ny olona izy, ka ao ny bibidia no hivalampatra! Hisioka haneso azy izay rehetra mandalo eo akaikiny, ka hanifikifika tanana noho ny rikoriko.”+

Fanamarihana

Vala mafy orina vita amin’ny vato.