Zefania 3:1-20

3  Lozan’ilay tanàna mikomy sy mandoto tena ary mampahory!+  Tsy nihaino izy,+ ary tsy nandray anatra.+ I Jehovah tsy natokisany,+ ary ilay Andriamaniny tsy nohatoniny.+  Liona mierona ny andriana eo aminy.+ Ny mpitsarany dia amboadia mihaza amin’ny takariva, izay tsy mamela taolana ho tratran’ny andro maraina.+  Sahisahy ratsy ny mpaminaniny, sady mpivadika.+ Nanazimbazimba zava-masina ny mpisorony, sady tsy niraharaha lalàna.+  Nanao ny rariny anefa i Jehovah, teo anivon’ilay tanàna.+ Tsy nanao ny tsy rariny izy.+ Nambarany isa-maraina ny didim-pitsarany,+ eny, nambara foana izany raha vao nazava ny andro.+ Ny olona tsy marina kosa tsy nahalala menatra.+  “Mandringana firenena maro aho. Lasa aolo ny tilikambony eny an-jorony. Noravaravako ny lalany ka tsy nisy mpandalo intsony. Potika tanteraka ny tanànany, ka tsy nisy olona intsony sady tsy nisy mponina.+  Hoy aho tamin’ilay tanàna: ‘Aoka hatahotra ahy ianao, ka hihaino anatra.’+ Amin’izay dia tsy ho rava ny fonenany.+ Hataoko ampamoaka izy noho ny fahotany rehetra.+ Vao mainka anefa izy nanao izao zava-dratsy rehetra izao.+  “‘Koa miandrasa ahy’,+ hoy i Jehovah, ‘mandra-pahatongan’ny andro hitsanganako haka babo.+ Fa izao no didim-pitsarako: Hanangona firenena+ sy hamory fanjakana aho, mba hampiharako ny fanamelohako+ sy hanamparako ny fahatezerako rehetra amin’izy ireo. Fa ho levon’ny afon’ny hafanam-poko ny tany manontolo.+  Amin’izany, dia hovako ho fiteny madio ny fitenin’ny olona+ mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah,+ ka hanompoany azy amim-piraisan-kina.’*+ 10  “Hitondra fanomezana ho ahy avy any amin’ny faritry ny reniranon’i Etiopia ny olona mitalaho amiko, eny, ny zanako vavy, dia ny oloko naely.+ 11  Amin’izany andro izany, dia tsy hahamenatra anao ny zava-drehetra nataonao tamin’ianao nandika ny lalàko,+ satria hesoriko tsy ho eo aminao ireo mifaly sady mirehareha.+ Ary tsy hirehareha intsony eo amin’ny tendrombohitro masina ianao.+ 12  Hamelako olona manetry tena sy tsy mieboebo eo aminao.+ Ary ny anaran’i Jehovah no hialofany.+ 13  Tsy hanao ny tsy marina+ ny sisa amin’ny Israely+ sady tsy handainga+ ary tsy hisy fitaka eo am-bavany.+ Hihinana izy ireo, hitsotsotra,+ ary tsy hisy hampangovitra azy.”+ 14  Mihobia, ry Ziona zanakavavy ô! Mifalia,+ ry Israely ô! Mifalia sy miravoravoa amin’ny fonao manontolo, ry Jerosalema zanakavavy+ ô! 15  Efa nesorin’i Jehovah tsy ho aminao ny fanamelohana,+ ary efa nampandositra ny fahavalonao izy.+ Eo aminao i Jehovah, ilay mpanjakan’ny Israely,+ ka tsy hatahotra ny loza intsony ianao.+ 16  Dia izao no holazaina amin’i Jerosalema amin’izany andro izany: “Aza matahotra, ry Ziona ô!+ Ary aza miraviravy tanana.+ 17  Eo aminao i Jehovah Andriamanitrao. Izy no Ilay mahery, ka hamonjy.+ Ho faly sy ho ravoravo noho ny aminao izy.+ Hangina izy satria tia anao. Ho faly noho ny aminao izy ka hihoby. 18  “Ary hangoniko+ ireo vonton’alahelo,+ izay tsy teo tamin’ny fotoanan’ny fety. Tsy teo aminao izy ireo, satria afa-baraka noho ny aminy.+ 19  Hamely an’izay rehetra mampahory anao aho, amin’izany fotoana izany.+ Dia hovonjeko ilay vahoaka mikotringa,+ ary hangoniko ilay naparitaka.+ Hataoko izay hahatonga azy hitondra fiderana sy hahazo laza tsara, manerana ilay tany nanalam-baraka azy. 20  Hampodiko ianareo amin’izany fotoana izany, eny, amin’ny fotoana hanangonako anareo. Fa hataoko izay hahatonga anareo hahazo laza tsara sy hitondra fiderana any amin’ny firenena rehetra amin’ny tany, rehefa hampodiko ianareo izay babo, ary ho hitan’ny masonareo izany”, hoy i Jehovah.+

Fanamarihana

A.b.t.: “amin’ny soroka iray.”