Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

A3

Ahoana no Nahatongavan’ny Baiboly Hatratỳ Amintsika?

Tsy hoe nampanoratra ny Baiboly fotsiny ilay nanome azy io, fa miaro azy io koa. Izy mihitsy no nampanoratra an’ireto teny ireto:

‘Ny tenin’ilay Andriamanitsika maharitra mandrakizay.’Isaia 40:8.

Marina ireo teny ireo, na dia tsy misy intsony aza amin’izao ny Baiboly sora-tanana tany am-boalohany, izany hoe ny Soratra Hebreo sy Aramianina, a ary ny Soratra Grika Kristianina. Nahoana anefa isika no afaka mahazo antoka fa tena mitovy amin’ilay Soratra Masina tany am-boalohany mihitsy ilay Baiboly ananantsika amin’izao?

NIARO NY TENIN’ANDRIAMANITRA IREO MPANAO DIKA SORATRA

Raha ny Soratra Hebreo no resahina, dia anisan’ny nahatonga azy io ho voaro ny zavatra nasain’Andriamanitra nataon’ny olona fahiny. Nasain’i Jehovah nandika b ny Lalàna, ohatra, ny mpanjakan’ny Israely mba hampiasain’izy ireo. (Deoteronomia 17:18) Nanendry ny Levita koa izy mba hitahiry ny Lalàna sy hampianatra ny vahoaka azy io. (Deoteronomia 31:26; Nehemia 8:7) Lasa nisy mpanao dika soratra na mpanora-dalàna (Soferima), taorian’ny nanaovana sesitany ny Jiosy tany Babylona. (Ezra 7:6, fanamarihana ambany pejy) Nahavita nanao kopia be dia be an’ireo boky 39 ao amin’ny Soratra Hebreo ireo mpanora-dalàna ireo, rehefa nandeha ny fotoana.

Nanao kopia an’ireo boky ireo ny mpanora-dalàna, nandritra ny taona maro, sady nitandrina be mihitsy rehefa nanao an’izany. Ny antokona mpanora-dalàna jiosy nantsoina hoe Masoreta no nanao an’izany, teo anelanelan’ny taona 500 sy 1500 tany ho any. Ny Kôdeksa Leningrad, izay tamin’ny taona 1008 na 1009, no tranainy indrindra amin’ny sora-tanana nataon’ny Masoreta. Nisy Baiboly sora-tanana 220 teo ho eo na ampahany aminy anefa hita niaraka tamin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, tamin’ny 1950 tany ho any. Maherin’ny arivo taona talohan’ny nisian’ny Kôdeksa Leningrad no nisian’ireo Baiboly sora-tanana ireo. Rehefa nampitahaina ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty sy ilay Kôdeksa Leningrad, dia hita fa misy tsy itovizany ny teny ampiasain’izy ireo. Tsy manova ny hevitra ao anatiny anefa izany.

Ary ahoana ny amin’ireo boky 27 ao amin’ny Soratra Grika Kristianina? Ny sasany tamin’ireo apostolin’i Jesosy Kristy sy ny mpianany vitsivitsy voalohandohany no nanoratra azy ireo. Nanao kopia an’ireo boky ireo ny Kristianina voalohany, hoatran’ny nataon’ny mpanora-dalàna jiosy ihany. (Kolosianina 4:16) An’arivony amin’ireny sora-tanana fahiny ireny na ny ampahany aminy no mbola voatahiry hatramin’izao, na dia niezaka namotika ny boky kristianina rehetra nisy tany am-boalohany aza i Dioclétien, mpanjaka romanina, sy ny olon-kafa.

Nadika tamin’ny fiteny hafa koa ny asa soratra kristianina. Nadika tamin’ireto fiteny fahiny ireto, ohatra, ny Baiboly voalohandohany: Armenianina, etiopianina, géorgien, kôpta, latinina, ary syriàka.

NY ASA SORATRA HEBREO SY GRIKA NIAINGANA REHEFA HANDIKA NY BAIBOLY

Tsy hoe mitovy daholo ny teny nampiasaina ao amin’ireo Baiboly sora-tanana fahiny rehefa natao kopia. Ahoana àry no ahalalantsika an’izay tena voasoratra tao amin’ilay Soratra Masina tany am-boalohany?

Andao atao hoe misy mpampianatra miteny amin’ny mpianatra 100 mba hanao kopia toko iray ao amin’ny boky iray. Na very aza, atỳ aoriana, ilay toko nalaina tahaka, dia ho fantatra foana ihany hoe inona no voasoratra tao rehefa ampitahaina ireo kopia 100. Marina fa mety ho nanao diso ny mpianatra tsirairay. Sarotra inoana anefa hoe hitovy daholo ny fahadisoana nataon’izy ireo. Hoatr’izany koa no ataon’ny manam-pahaizana amin’ireo kopia an’arivony ananan’izy ireo. Ampitahainy ireo kopian’ny boky ao amin’ny Baiboly voalohandohany na ireo kopian’ny ampahany aminy, ka hitan’izy ireo izay disodiso nataon’ny mpanao dika soratra. Azony fantarina avy amin’izany hoe inona ny teny tena nampiasaina tany am-boalohany.

“Tsy diso isika raha milaza fa tena nampitaina tamin’ny fomba marina tsara izy io. Tsy misy asa soratra tranainy natao hoatr’izany mihitsy”

Nahoana isika no afaka matoky fa izay hevitra tao amin’ilay Baiboly tany am-boalohany mihitsy no ampitaina amintsika? Izao no nolazain’ny manam-pahaizana atao hoe William Green, momba ny Soratra Hebreo: “Tsy diso isika raha milaza fa tena nampitaina tamin’ny fomba marina tsara izy io. Tsy misy asa soratra tranainy natao hoatr’izany mihitsy.” Izao indray no nolazain’i F. Bruce, manam-pahaizana momba ny Baiboly, mahakasika ny Soratra Grika Kristianina na ilay antsoina hoe Testamenta Vaovao: “Maro ny porofo mampiseho fa tena mitovy amin’ny tany am-boalohany ny Testamenta Vaovao ananantsika ankehitriny. Tsy mba toy izany kosa ireo asa soratra fahiny hafa natao kopia. Tsy misy mitsikera anefa izy ireny.” Hoy koa izy: “Raha tsy boky ara-pivavahana ny Testamenta Vaovao, dia azo inoana fa tsy ho nisy nitsikera.”

Isaia toko faha-40, ao amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty (teo anelanelan’ny taona 125 sy 100 T.K.)

Rehefa nampitahaina tamin’ny Baiboly sora-tanana hebreo, izay hita arivo taona teo ho eo tatỳ aoriana, izy io, dia kely fotsiny no tsy nampitovy azy, ary resaka tsipelin-teny ny ankamaroany

Isaia toko faha-40, ao amin’ny Kôdeksa Aleppo, sora-tanana hebreo nataon’ny Masoreta, tamin’ny taona 930 A.K. tany ho any

Rehefa handika ny Soratra Hebreo: Ny Biblia Hebraica nadikan’i Rudolf Kittel no niaingana rehefa nandika Ny Soratra Hebreo—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny teny anglisy (1953-1960). Nisy fandikan-teny nohavaozina, taorian’izay, dia ny Biblia Hebraica Stuttgartensia sy ny Biblia Hebraica Quinta. Nampidirina tao amin’ireo Baiboly Soratra Hebreo ireo ny zavatra hita vao haingana tao amin’ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty sy ny sora-tanana fahiny hafa. Ny andinin-teny tao amin’ny Kôdeksa Leningrad ihany no naverina tao amin’ireo Baiboly ireo, fa nasiana fanamarihana ambany pejy. Natao tao amin’ireny fanamarihana ireny ny teny nampiasaina tany amin’ny fandikan-teny hafa, ohatra hoe tao amin’ny Boky Dimy Voalohany amin’ny teny samaritanina, ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ny Targoma Aramianina, ny Vulgate latinina, ary ny Peshitta syriàka. Samy nodinihina daholo na ny Biblia Hebraica Stuttgartensia na ny Biblia Hebraica Quinta, rehefa nanomana ny famoahana an’ity Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina ity.

Rehefa handika ny Soratra Grika: Teo anelanelan’ny 1853 sy 1881, dia nampitahain’ny manam-pahaizana atao hoe B. Westcott sy F. Hort ny Baiboly sora-tanana sy ny ampahany nisy tamin’izany, tamin’izy ireo nanomana ny Soratra Grika hiaingana rehefa handika teny. Izay hitan’izy ireo hoe akaiky indrindra ny asa soratra tany am-boalohany no nampiasainy. Io Soratra Grika io no niaingan’ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao rehefa nandika Baiboly izy ireo, tamin’ny 1950 tany ho any. Naka hevitra tao amin’ny taratasy papyrus voalohandohany koa izy ireo. Mety ho teo anelanelan’ny taona 125 sy 300 izy ireny no nosoratana. Nisy taratasy papyrus hafa indray hita taorian’izay. Nisy asa soratra hafa niaingan’ny mpandika Baiboly koa nahitana ny fikarohana vao haingana nataon’ny manam-pahaizana, ohatra hoe ny asa soratra nataon’i Nestle sy Aland, ary ny an’ny Vondron’ireo Fikambanana Mampiely Baiboly. Nampidirina ato amin’ity fandikan-teny nohavaozina ity ny sasany amin’ireny zavatra hita ireny.

Hita tamin’ireny asa soratra niaingana ireny fa vao nampiana tatỳ aoriana ny andinin-teny sasany ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ao amin’ny fandikan-teny taloha kokoa, toy ny Fandikan-teny Katolika (1938). Nampian’ny mpanao dika soratra izy ireny, fa tsy anisan’ny Soratra Masina. Efa tamin’ny 1550 tany ho any anefa no nekena ny fomba nizarana ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly. Rehefa nesorina àry ireny andinin-teny nampiana ireny, dia nodinganina ny isa manondro azy ireny ao amin’ny ankamaroan’ny Baiboly. Ireto avy izany andininy izany: Matio 17:21; 18:11; 23:14; Marka 7:16; 9:44, 46; 11:26; 15:28; Lioka 17:36; 23:17; Jaona 5:4; Asan’ny Apostoly 8:37; 15:34; 24:7; 28:29; ary Romanina 16:24. Nasiana fanamarihana ambany pejy kosa eo amin’ireo andininy ireo, ato amin’ity fandikan-teny ity.

Tsy hita ao amin’ny Baiboly sora-tanana tany am-boalohany koa ny teny famaranana lava ao amin’ny Marka 16 (andininy 9-20), sy ny teny famaranana fohy ao amin’ny Marka 16, ary ny teny ao amin’ny Jaona 7:53–8:11. Tsy nampidirina ato amin’ity fandikan-teny nohavaozina ity àry ireo andinin-teny ireo.

Nisy teny sasany kosa nampiana mba hifanaraka amin’izay lazain’ny manam-pahaizana hoe mahadika kokoa an’ireo teny nampiasaina tao amin’ny asa soratra tany am-boalohany. Raha jerena, ohatra, ny Baiboly sora-tanana sasany, dia izao no voalaza ao amin’ny Matio 7:13: “Midira amin’ny vavahady tery. Fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fandringanana, ka be dia be no miditra any.” Tsy nisy an’ilay hoe “ny vavahady” tao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao teo aloha. Nisy fikarohana fanampiny natao anefa, dia hita fa tao amin’ny Baiboly sora-tanana tany am-boalohany ilay hoe “ny vavahady.” Nampidirina ato amin’ity fandikan-teny nohavaozina ity àry ireo teny ireo. Misy fanatsarana maromaro mitovitovy amin’izany natao tato. Tsy dia tena lehibe anefa ireny fanitsiana ireny, sady tsy nanova an’izay tena voalaza ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Sora-tanana papyrus misy ny 2 Korintianina 4:13–5:4, tamin’ny taona 200 A.K. tany ho any

a Soratra Hebreo fotsiny no ilazana azy ato.

b Zavatra mora simba no nanoratana ny Soratra Masina tany am-boalohany, ka anisan’ny antony tsy maintsy nandikana azy ireny izany.