Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

A1

Toro Lalana Arahina Rehefa Mandika Baiboly

Nosoratana tamin’ny teny hebreo tranainy sy aramianina ary grika ny Baiboly, tamin’ny voalohany. Misy amin’ny fiteny 3 000 mahery izao ny Baiboly manontolo na ny ampahany aminy. Tsy mahay an’ireo fiteny nanoratana ny Baiboly tamin’ny voalohany mantsy ny ankamaroan’ny olona, ka mila fandikan-teny. Inona anefa ny toro lalana tokony harahina rehefa mandika Baiboly? Ary narahina ve izy ireny rehefa nadika Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?

Misy mieritreritra hoe tokony hadika ara-bakiteny be ny Baiboly, amin’izay mitovy amin’ny hevitry ny teny nanoratana azy tany am-boalohany ny hevitra azon’ny mpamaky. Tsy voatery hety foana anefa izany, noho ireto antony ireto:

  • Tsy misy fiteny roa hoe mitovy tanteraka ny fitsipi-pitenenany sy ny voambolany ary ny firafitry ny fehezanteniny. Nilaza i S. Driver, mpampianatra teny hebreo, fa ‘tsy ny fitsipi-pitenenana sy ny fototeny ihany no tsy itovizan’ny fiteny, fa ny filaharan’ny hevitra ao amin’ny fehezanteny koa.’ Tsy mitovy fomba fisainana ny olona tsy mitovy fiteny. “Izany no tsy mampitovy ny firafitry ny fehezanteny amin’ny fiteny samy hafa”, hoy ihany ilay mpampianatra.

  • Ny fiteny ampiasaina amin’izao, dia tsy misy manana voambolana sy fitsipi-pitenenana mitovy tanteraka amin’ny an’ny teny hebreo sy aramianina ary grika. Mety tsy hazava na ho diso mihitsy àry indraindray ny fandikana ara-bakiteny.

  • Mety hiovaova ny hevitry ny teny iray na teny maromaro, arakaraka ny teny manodidina.

Mety ho azo adika ara-bakiteny ny andinin-teny sasany, nefa mila mitandrina tsara ny mpandika teny rehefa manao an’izany.

Mety ho diso ny fahazoan’ny olona ny andinin-teny sasany raha adika ara-bakiteny, araka ny hita amin’ireto ohatra ireto:

  • Ilazana ny torimaso ara-bakiteny na ny fahafatesana, indraindray, ny hoe “matory”, ao amin’ny Soratra Masina. (Matio 28:13; Jaona 11:11) Raha fahafatesana no resahin’ilay andininy, dia afaka mampiasa ny teny hoe “maty” na “nodimandry” ny mpandika teny, mba tsy ho diso hevitra ny mpamaky.—1 Korintianina 7:39; 1 Tesalonianina 4:13; 2 Petera 3:4.

  • Azo adika ara-bakiteny hoe “amin’ny filalaovana kodiakelin’ny olona” ny teny nampiasain’ny apostoly Paoly ao amin’ny Efesianina 4:14. Ilazana ny fitapitaka ataon’ny olona milalao kodiakely io fomba fiteny io, taloha. Tsy misy dikany anefa izany amin’ny ankamaroan’ny fiteny, rehefa adika ara-bakiteny. Mazava kokoa àry ilay izy rehefa natao hoe “voataonan’ny olona mamitaka.”

  • Teny grika midika ara-bakiteny hoe “amin’ny fanahy mangotraka” no nampiasaina ao amin’ny Romanina 12:11. Tsy mahalaza an’ilay hevitra anefa izany amin’ny teny anglisy, ka teny hafa no nampiasaina. Nadika hoe “harehitry ny fanahy” ireo teny ireo ato.

  • MATIO 5:3

    Malagasy ara-bakiteny: “Mahantra am-panahy”

    Heviny: “Mahatsapa fa mila an’Andriamanitra”

    Nisy teny nampiasain’i Jesosy, tao amin’ilay toriteny malaza nataony teo an-tendrombohitra, nadika matetika hoe “Sambatra ny mahantra am-panahy.” (Matio 5:3, Fandikan-teny Protestanta Nohavaozina) Nadika ara-bakiteny izy io amin’ny fiteny maro, ka tsy mazava fa lasa miova ny heviny. Tsy miresaka momba ny fahantrana anefa i Jesosy eo, fa izao no tiany holazaina: Tsy ny fahazoan’ny olona an’izay zavatra ilainy no mahasambatra azy, fa ny fanekeny hoe mila ny tari-dalan’Andriamanitra izy. (Lioka 6:20) Marina kokoa àry raha adika hoe “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra”, ilay teny tany am-boalohany.—Matio 5:3.

  • Ny teny hebreo nadika hoe “saro-piaro”, dia mitovy hevitra amin’ilay teny malagasy hoe sarotiny loatra amin’ny zavatra ananany na amin’ny olona tiany, ka tsy tiany hozarazaraina amin’ny hafa ilay izy fa arovany fatratra. Nadika koa izy io indraindray hoe mialona ny hafa noho izy manan-javatra. (Ohabolana 6:34; Isaia 11:13) Mety hanana heviny tsara koa anefa ilay teny hebreo. Azo ilazana ny “hafanam-pon’i” Jehovah miaro ny mpanompony, ohatra, izy io, na ilazana an’ilay hoe “mitaky ny hanompoana azy irery ihany” izy. (2 Mpanjaka 19:31; Eksodosy 34:14; Ezekiela 5:13; Zakaria 8:2) Azo ampiasaina koa ilay teny hebreo mba hilazana ny ‘hafanam-pon’ny’ mpanompon’Andriamanitra amin’ny fanompoana Azy, na mba hilazana hoe ‘tsy milefitra mihitsy izy ireo rehefa misy mivadika’ amin’Andriamanitra.—Salamo 69:9; 119:139; Nomery 25:11.

  • Adika matetika hoe “tanana” ilay teny hebreo hoe yad, nefa azo adika koa izy io hoe “fahefana”, “malala-tanana”, “hery”, na teny hafa, arakaraka ny teny manodidina

    Manana heviny maro ny teny hebreo ilazana ny tanana. Azo adika hoe ‘fahefana’ na ‘malala-tanana’ na “hery” izy io indraindray, arakaraka ny teny manodidina. (2 Samoela 8:3; 1 Mpanjaka 10:13; Eksodosy 14:31) Misy fomba 40 samy hafa nandikana an’io teny io ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

Noho izany, dia tsy voatery hitovy foana ny fomba andikana ny teny iray tany am-boalohany, ao amin’ny Baiboly. Mila mandinika tsara ny mpandika teny, ka mifidy teny mamoaka tsara ny hevitry ny teny tany am-boalohany. Tokony hifanaraka amin’ny fitsipi-pitenenan’ilay fiteny koa ny firafitry ny fehezanteny ampiasainy, mba ho mora vakina.

Tokony hitandrina koa anefa ny mpandika teny mba tsy hanao dikan-teny malalaka loatra. Mety hanova ny dikan’ny hevitra ao amin’ny Baiboly mantsy izy raha manao dikan-teny malalaka, araka izay fahazoany azy fotsiny. Mety hampiditra ny heviny manokana izy, na mety hisy tsipiriany tena ilaina nefa tsy adikany. Mety hanintona ny olona ilay fandikan-teny satria mora vakina, nefa malalaka loatra ilay dikan-teny ka mety tsy ho ilay tena hevitra tany am-boalohany no ho tafita any amin’ny mpamaky.

Mety hisy vokany eo amin’ny fandikan-teny koa ny zavatra inoan’ny mpandika teny. Milaza, ohatra, ny Matio 7:13 hoe: “Malalaka ny lalana mankany amin’ny fandringanana.” Tsy nampiasa an’ilay teny hoe “fandringanana” anefa ny mpandika teny sasany, na dia izany aza no tena dikan’ilay teny grika. Ny teny hoe “afobe” kosa no nampiasainy, satria izay angamba no inoany.

Tsy maintsy tadidin’ny mpandika teny koa fa fiteny andavanandro fampiasan’ny olon-tsotra no nanoratana ny Baiboly. Anisan’izany ny mpamboly sy ny mpiandry ondry ary ny mpanarato. (Nehemia 8:8, 12; Asan’ny Apostoly 4:13) Ny hoe fandikan-teny tsara àry, dia izay mora azon’ny olona tso-po, na manao ahoana na manao ahoana fahaizany na fari-piainany. Aleo mampiasa teny tsotra sy mazava ary mora azo, toy izay teny zara raha ampiasain’ny olon-tsotra.

Be dia be ankehitriny ny mpandika Baiboly sahisahy ratsy manala ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ao amin’ny Baiboly adikany, na dia hita ao amin’ny Baiboly sora-tanana fahiny aza ilay anarana. (Jereo ny Fanazavana Fanampiny A4.) Nosoloana anaram-boninahitra, toy ny hoe “Tompo”, ilay anarana ao amin’ny Baiboly maro. Ny Baiboly sasany aza tsy manisy resaka mihitsy hoe manana anarana Andriamanitra. Izao, ohatra, no nandikan’izy ireny an’ilay vavak’i Jesosy ao amin’ny Jaona 17:26: “Nampahafantariko azy ianao”, sy ao amin’ny Jaona 17:6: “Efa nampahafantariko an’ireo olona nomenao ahy ianao.” Izao anefa no tena tokony handikana an’ilay vavak’i Jesosy: “Efa nampahafantariko azy ny anaranao” sy hoe ‘Efa nampahafantariko an’ireo olona nomenao ahy ny anaranao.’

Izao no voalazan’ny sasin-tenin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, fanontana voalohany amin’ny teny anglisy: “Tsy nanao fandikan-teny malalaka izahay. Nadikanay ara-bakiteny kosa ny Soratra Masina, raha mbola mety amin’ny teny anglisy fampiasa ankehitriny izany sady mazava ny hevitra.” Niezaka mafy àry ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao mba hahay handanjalanja. Niezaka nampiasa teny mandika tsara ny hevitra tany am-boalohany izy ireo, nefa koa nitandrina tsara mba tsy ho hafahafa ilay izy rehefa vakina na hoe tsy mazava. Lasa mora vakina àry ny Baiboly, sady afaka matoky tanteraka ny mpamaky hoe tena ilay hafatra avy amin’Andriamanitra no ampitaina amin’izy ireo.—1 Tesalonianina 2:13.