A2
Ny Mampiavaka An’ity Fandikan-teny Nohavaozina Ity
Navoaka tamin’ny 1950 ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao anglisy (tamin’ny teny malagasy, 2003), ary tamin’ny 1961 ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo (tamin’ny teny malagasy, 2008). Hatramin’ny nivoahan’io Baiboly io, dia efa am-polony tapitrisa ny olona nandray soa tamin’izy io. Misy amin’ny fiteny 210 mahery mantsy izy io, sady marina sy mora azo. Nadika avy tamin’ny fiteny nanoratana ny Soratra Masina tany am-boalohany io fandikan-teny io.
Niova be anefa ny fiteny tato anatin’ny 50 taona. Hitan’ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao fa nila nampifanarahina tamin’ireny fiovana ireny ilay fandikan-teny, mba hanohina ny fon’ny mpamaky. Nisy fanovana natao àry tamin’ny fomba fanoratra sy ny voambolana nampiasaina ato amin’ity Baiboly nohavaozina ity. Ireto avy no nezahina natao tamin’izany:
Nampiasa fiteny fampiasa andavanandro sady mora azo. Nosoloana teny mora azo kokoa ireo teny tranainy sy tsy mazava, ato amin’ity Baiboly ity. Ilay teny hoe “fahari-po”, ohatra, novana hoe “faharetana.” (Galatianina 5:22) Novana hoe “hatsaram-panahy miavaka” koa ilay hoe “hatsaram-panahy tsy manam-paharoa”, mba ho mora azo kokoa. (Jaona 1:16, 17) Natao hoe “fety tsy voafehy” ilay hoe “lanonana feno filibana”, ato amin’ity fandikan-teny ity. (Galatianina 5:19-21) Novana koa ilay hoe “mandritra ny fotoana tsy voafetra”, ka natao hoe “mandrakizay”, na “maharitra ela be”, na “hatry ny ela”, na “foana”, arakaraka ny hevitra tiana havoaka.—Genesisy 3:22; Eksodosy 31:16; Mpitoriteny 1:10; Ezekiela 46:14.
Natao mazava kokoa ny teny fampiasa ao amin’ny Baiboly. Misy teny ampiasain’ny Baiboly malagasy hafa lasa mazava kokoa ato amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Mampiasa an’ilay teny hoe “helo” na “afobe”, ohatra, ny Baiboly hafa, fa natao hoe “Gehena” kosa ilay izy ato. Nasiana fanamarihana ambany pejy eo amin’ilay teny, mba hampirisihana ny mpamaky hijery ny dikany any amin’ny Fanazavana Teny.—Matio 5:22, 29, 30; Marka 9:43; Lioka 12:5.
Nisy fiteny nampiasaina teo aloha tao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao koa tsy nampiasaina intsony. Anisan’izany ilay teny hoe ‘hatsingerina eo an-dohany ny rany.’ Novana hoe ‘tompon’andraikitra amin’ny nahafatesany’ na hoe ‘hovaliana noho ny ra nalatsany’ izy io, ary natao eny amin’ny fanamarihana ambany pejy ny dikany ara-bakiteny indraindray.—Mpitsara 9:24; 1 Mpanjaka 2:32.
Ny teny hoe “voa” ihany no nampiasaina rehefa ilay taova no tiana horesahina. Raha ilay heviny an’ohatra anefa no tiana horesahina, dia nadika hoe “fihetseham-po lalina indrindra”, na “eritreritra lalina indrindra” ilay izy, ohatra hoe ao amin’ny Salamo 7:9 sy 26:2 ary Apokalypsy 2:23. Natao eny amin’ny fanamarihana ambany pejy kosa ny dikany ara-bakiteny.
Manana heviny ara-bakiteny sy an’ohatra ilay teny hoe “fo” amin’ny teny malagasy, hoatran’ny amin’ny teny hebreo sy grika ihany. Matetika àry no “fo” ihany no nampiasaina ao amin’ilay andininy. Natao mazava kokoa anefa ilay izy any amin’ny andinin-teny sasany, raha atahorana hoe tsy ho azo ny dikany. Nadika hoe “tsy ampy saina”, ohatra, ny hoe “tsy misy fo” ao amin’ny bokin’ny Ohabolana, ary natao any amin’ny fanamarihana ambany pejy ny dikany ara-bakiteny. (Ohabolana 6:32; 7:7) Misy teny fampiasa ao amin’ny Baiboly koa tsy tonga dia mazava rehefa adika ara-bakiteny, dia ny heviny no nadika. Novana, ohatra, ilay hoe “tsy voafora molotra”, dia natao hoe “sahirana rehefa miteny.” Natao eny amin’ny fanamarihana ambany pejy ilay dikany ara-bakiteny.—Eksodosy 6:12.
Mahafinaritra kokoa ny mamaky azy. Nisy ezaka be natao mba tsy ho hafahafa na ho sarotra vakina ny fehezanteny ato amin’ity fandikan-teny ity. Natao hoatran’ny fomba fitenin’ny olona andavanandro ny teny nampiasaina, rehefa misy mifampiresaka. Jereo, ohatra, ny Genesisy 43:1-7 sy Rota 1:8-13.
Natao mazava tsara hoe lehilahy sa vehivavy no resahina rehefa ilaina. Misy mpisolo anarana anavahana ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny teny hebreo sy grika. Amin’ny teny grika koa aza, misy mpisolo anarana sady azo ilazana lehilahy no azo ilazana vehivavy na zavatra. Indraindray anefa mety tsy hazava hoe iza no tiana horesahina, raha arahina fotsiny ny mpisolo anarana ampiasain’ny teny tany am-boalohany, ka naverina ny anaran’ilay olona.—Genesisy 4:20; 1 Samoela 25:36; Estera 2:17.
Misy teny natao sora-baventy ny litera voalohany. Tsy natao sora-baventy hoatran’ny hita ao amin’ny Baiboly malagasy hafa ny fiandohan’ny teny hoe “fanahy masina” satria tsy Andriamanitra izy io, fa hery ampiasain’Andriamanitra. (Matio 3:16; 28:19) Natao sora-baventy kosa ny fiandohan’ny teny hoe “Lalàna” raha vao ny Lalàn’i Mosesy no resahina, mba hanavahana azy amin’ny lalàna hafa.—Matio 23:23; Romanina 10:4.
Nisy vavaka sy fandinihana tsara vao natao ny fanitsiana rehetra ato amin’ity Baiboly ity. Nohajaina tsara koa ny asa efa vitan’ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny voalohany.
Zavatra hafa mampiavaka an’ity fandikan-teny ity:
Misy fanamarihana ambany pejy maromaro ato amin’ity Baiboly ity. Ireto avy izany:
“Na” Fomba hafa azo andikana an’ilay teny avy amin’ny teny hebreo na aramianina na grika, fa mitovy ihany ny heviny.—Genesisy 1:2, fanamarihana ambany pejy eo amin’ny hoe “hery ampiasain’Andriamanitra”; Josoa 1:8, “saintsaino.”
“Na mety hoe” Fomba hafa azo andikana an’ilay teny, saingy tsy tena mitovy ny heviny.—Genesisy 21:6, “hiara-mihomehy amiko”; Zakaria 14:21, “Kananita.”
“Abt” Dikan-teny ara-bakitenin’ilay teny hebreo na aramianina na grika, na ny dikan’ilay teny tany am-boalohany.—Genesisy 30:22, “bevohoka”; Eksodosy 32:9, “mafy loha.”
Dikan’ilay teny sy fanazavana mombamomba azy io Dikan’ny anarana (Genesisy 3:17, “Adama”; Eksodosy 15:23, “Mara”); fanazavana ny lanja sy refy (Genesisy 6:15, “hakiho”); fanazavana ny mpisolo anarana (Genesisy 38:5, “izy”); Fanazavana Fanampiny sy Fanazavana Teny.—Mpitoriteny 9:10, “Fasana”; Matio 5:22, “Gehena.”
Hita eo am-piandohan’ity fandikan-teny ity ilay hoe “Teny Fampidirana ny Tenin’Andriamanitra.” Misy ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly izy io. Ireto indray no hita ao aorian’ny boky farany amin’ny Baiboly: “Ireo Boky ato Amin’ny Baiboly”, “Fanondroana Teny ato Amin’ny Baiboly”, ary “Fanazavana Teny.” Manampy hahazo ny teny sasany fampiasa ao amin’ny Baiboly ilay hoe Fanazavana Teny. Misy Fanazavana Fanampiny koa ato amin’ity fandikan-teny ity, ary ireto avy no hita ao amin’ny Fanazavana Fanampiny A: “Toro Lalana Arahina Rehefa Mandika Baiboly”, “ Ny Mampiavaka An’ity Fandikan-teny Nohavaozina Ity”, “Ahoana no Nahatongavan’ny Baiboly Hatratỳ Amintsika?”, “Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Soratra Hebreo”, “Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Soratra Grika Kristianina”, “Tabilao: Ireo Mpaminany sy Mpanjaka tao Joda sy Israely”, ary “Ny Zava-nisongadina Tamin’ny Fiainan’i Jesosy Teto An-tany.” Ireto kosa no hita ao amin’ny Fanazavana Fanampiny B: Sarintany, tabilao, ary fanazavana hafa mahasoa an’izay mazoto mianatra Baiboly.
Misy topy maso momba izay resahin’ny toko tsirairay, isaky ny boky ao amin’ny Baiboly. Omena ao koa ny andininy ahitana an’ilay hevitra. Amin’izay dia ho azon’ny mpamaky an-tsaina hoe inona no resahin’ilay boky amin’ny ankapobeny. Misy fanondroana andininy hafa mifandray amin’ireo andinin-teny koa ao amin’ilay toko, eo afovoan’ny pejy tsirairay. Tsy ny fanondroana andininy rehetra tao amin’ny fandikan-teny teo aloha anefa no naverina ato amin’ity Baiboly ity, fa izay tena ilaina ihany.