FANONTANIANA 8
Andriamanitra ve no Mahatonga Antsika Hijaly?
“Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy, sanatria an’ilay Mahery Indrindra ny hanao ny tsy mety!”
“Raha misy olona miatrika zava-tsarotra, dia tsy tokony hiteny izy hoe: ‘Fitsapana avy amin’Andriamanitra izao.’ Sady tsy azo tsapaina amin’ny zava-dratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’ny zava-dratsy koa.”
“Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”
“Tsy mba ela i Jehovah manatanteraka ny fampanantenany, araka ny fiheveran’ny sasany azy, fa manam-paharetana aminareo kosa izy, satria tsy tiany hisy ho ringana ny olona fa tiany hibebaka daholo.”