FANONTANIANA 18
Inona no Hanampy Anao Hanatona An’Andriamanitra?
“Ry Mpihaino vavaka ô, ianao no hohatonin’ny karazan’olona rehetra.”
“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.”
“Raha te hahazo fiainana mandrakizay izy ireo, dia mila mianatra mba hahafantatra anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”
“Raha ny marina ..., dia tsy lavitra antsika tsirairay [Andriamanitra].”
“Izao foana no angatahiko amin’ny vavaka: Mba hitombo foana ny fitiavanareo, sady hahafantatra tsara sy tena hahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra ianareo.”
“Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, dia aoka izy hangataka an’izany foana amin’Andriamanitra, satria malala-tanana amin’ny olona rehetra Andriamanitra sady tsy manome tsiny. Dia homena azy izany.”
“Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota, ary diovy ny fonareo, ry mpisalasala.”
“Izao no atao hoe tia an’Andriamanitra: Mankatò ny didiny. Ary tsy mavesatra ny didiny.”