FANONTANIANA 5
Inona ny Hevi-dehibe ao Amin’ny Baiboly?
“Hataoko mifandrafy ianao sy ilay vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Izy hanorotoro ny lohanao, fa ianao kosa handratra ny voditongony.”
“Hahazo fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany, satria nihaino ny teniko ianao.”
“Ho tonga anie ny Fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!”
“Tsy ho ela ilay Andriamanitra manome fiadanana dia hanorotoro an’i Satana eo ambany tongotrareo.”
“Rehefa nasaina nanaiky ny Zanaka ny zava-drehetra, dia ny Zanaka mihitsy koa no hanaiky an’Ilay nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy, mba ho Andriamanitra no zava-drehetra ho an’ny rehetra.”
“I Abrahama sy ny taranany [i Kristy] no nilazana ny fampanantenana. ... Raha an’i Kristy koa ianareo, dia tena taranak’i Abrahama.”
“Ny fanjakan’izao tontolo izao dia efa lasa Fanjakan’ny Tompontsika sy ilay Kristy voatendriny. Ary hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy.”
“Natsipy mafy ilay dragona lehibe, ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany manontolo. Natsipy mafy tetỳ an-tany izy, ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy.”
“Nosamboriny ilay dragona, ilay menarana tany am-boalohany, dia ny Devoly sy Satana, ka nofatorany mba higadra 1 000 taona.”