FANONTANIANA 3
Iza no Nanoratra ny Baiboly?
“Nosoratan’i Mosesy ny teny rehetra nolazain’i Jehovah.”
“Nanonofy sy nahita fahitana i Daniela tamin’izy natory teo am-pandrianany. Dia nosoratany ilay nofy, ka nataony an-tsoratra izay rehetra hitany sy henony.”
“Rehefa naheno ny tenin’Andriamanitra notorinay ianareo, dia nekenareo hoe tenin’Andriamanitra ilay izy, fa tsy hoe tenin’olona, ary izay tokoa no izy.”
“Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana.”
“Tsy noho ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana ... no nampisy ny faminaniana, fa teny avy amin’Andriamanitra kosa no nolazain’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.”